Flash
Préc Suiv

Harena an-kibon’ny tany -EITI: mpikambana samihafa, hatao hanara-maso

Nifarana, omaly, ny fanofanana ireo mpikambana mandrafitra ny komity mpanara-maso ao amin’ny EITI, nanomboka ny 2 jolay teo. Niainga avy amin’ny tombanezaka nataon’ny filankevi-pitantanan’ny EITI maneran-tany tany Berlin, ny 28 sy ny 29 jona izany, ka nitsarana an’i Madagasikara, nahavita ezaka azo tsapain-tanana fa mbola tsy mahafa-po. Nambara nandritra izao fiofanana izao ireo ezaka rehetra takina, indrindra ny vola avy amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ny haba sy ny karazany, tokony ho any amin’ireo kaominina misy ireny harena ireny.

Notsindrina manokana ny ezaka hisian’ny mangarahara eo anivon’ireny sampana mifandray amin’ny minisitera, toy ny Omnis, ny BCMM, ny Kraoma, ny IGM, ny Anor. Tanjona ny hahatratrarana ny ezaka mahafa-po, nomarihin’ny minisitra Rabary Njaka Henry fa tokony ho tratra amin’ny faran’ny taona 2019. Noho izany, hatsaraina ny fanaraha-maso ataon’ny EITI hisian’ny mangarahara. Misy vondrona hanangom-baovao rehetra hahafantarana ny tena marina, raha ny voalazan’ny minisitra ihany.

Tokony ho tratra io tanjona io raha arahina ireo fepetra napetraky ny EITI ireo, raha zahana ihany koa ireo mpikambana nanaraka ny fiofanana : ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, ny ONG, ny minisitera samihafa, ny Samifin. Nanofana azy ireo i Tahiny Judicail, teknisianina malagasy avy any kanada.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.