Flash
Préc Suiv

Kitra: ny samy henjana ny eny Vontovorona

Kitra: ny samy henjana ny eny Vontovorona

Ireo samy tompondaka amin’ny liginy  avy.  Hifanandrina eny amin’ny kianjan’ny Vontovorona manomboka ny 13 hatramin’ny 22 jolay izao amin’ny THB Champion’s league ny Jet Mada  avy any Itasy  sy ny Elgeco Plus ary ny Fosa Junior. Lalao tafiditra amin’ny dingana  faharoa hiadiana ny tapakila roa hidirana amin’ny “Poule  des As” izany. Anisan’ny hiaraka amin’izy ireo ny FC Alaotra Mangoro,  ny Tam  Port-Berger,  n y MTM Melaky. Midika  ho vondrona  henjana ity satria ekipa roa ihany avy amin’izy ireo no hiakatra amin’ny dingana manaraka.

Ho an’ny any amin’ny kianjan’Ampasambazaha  kosa, anisan’ny misongadina  ny tompondaka farany, ny Cnaps  Sport Itasy.  Manampy azy ny Ajesaia Bongolava, FC Vakinankaratra,  ny 3FB  Atsimo Andrefana, ny ny Fils Elephant avy any  Anosy ary ny  Akon’Ambatomena   Matsiatra Ambony.

Araka  izany,  hangotraka  izao dingana faharoa amin’ny THB Champion’s League izao.

Synèse R.    

Les commentaires sont fermées.