Flash
Préc Suiv

Fivoizana ny kolontsaina: hivoaka ny gazety « Gasikar’Ako »

Fivoizana ny kolontsaina: hivoaka ny gazety « Gasikar’Ako »

Hivoaka, ny 6 jolay izao,  ny  gazety « Gasikar’Ako”.  Hanasongadina  ny lahatsoratra momba  ny kolontsaina malagasy ity gazety ity.  “Hampahafantarana ireo toerana manan-tantara na vohitra eto amintsika, arahin’ny  fanadihadiana manokana,  izany.  Havoitra koa  ny lohahevitra na tranga iray,  heverina fa mahaliana  ny fiarahamonina”, hoy  ny tompon’andraikitra. Misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra izy  ireo ho amin’ny  fampahafantarana ny vaovao tsara ho fantatry ny maro. Mikendry indrindra koa ny  fanabeazana  sy ho  fanasoavana  ny mpiray  tanindrazana.  “Misokatra ho an’ny orinasa, ny fikambanana, ny olon-tsotra amin’ny hetsika atao na doka sy ny sehatry ny asa izahay…”,  hoy ihany izy ireo.

Ankoatra  izany,  anisan’ny tanjona  namoahana  ny gazety ny fanabeazana ny olom-pirenena amin’ny  sehatra maro. Eo koa  ny fampahafantarana ny  vaovao eny anivon’ny fiarahamonina, sehatry ny sosialy,  ny toekarena,  ny politika… “Ho hita ao  koa  ireo torohevitra samihafa mahasoa ny tsirairay eo amin’ny fiainana andavanandro.  Manampy izany ny vaovao hafakely miseho eto an-toerana  sy any  ivelany”, hoy izy ireo.

Tsiahivina  fa  hivoaka isaky ny zoma ny  « Gasikar’Ako », ahitana pejy valo ary amin’ny fiteny malagasy ny lahatsoratra  rehetra amin’ity gazety ity.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.