Flash
Préc Suiv

Ny minisitra Rasoloelison Lantoniaina: « Na mivarotra jiro lafo na mameno ny banga ny fanjakana »

Ny minisitra Rasoloelison Lantoniaina: « Na mivarotra jiro lafo na mameno ny banga ny fanjakana »

« Mivarotra jiro 330 Ar isaky ny Kwh ny Jirama ka matianoka, koa tsy manan-tsafidy isika, na hampiakatra ny vidin-jiro 825 Ar isaky ny Kwh na mameno ny banga ny fanjakana », hoy ny minisitry ny Angovo, Rasoloelison Lantoniaina, teny Tsimbazaza omaly, nanatrika ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana 2018. Mazava loatra, tsy ho zakan’ny fahefa-mividin’ny Malagasy izany jiro 825 Ar isaky ny Kwh izany. Noho izany, mila fanampiana hatrany amin’ny 414 miliara Ar isan-taona ny Jirama.

Ny ao amin’ny tetibolam-panjakana nasian-panitsiana anefa, 100 miliara Ar ny omena ny Jirama, mbola latsaka raha raha zahana ny tetibola voalohany, 290 miliara Ar. Ny antony, tsy maintsy miatrika fifidianana ny fanjakana amin’ity taona ity, ary maro ihany koa ireo minisitera hafa mila tetibola fanampiny, hampandehanana ny raharaham-panjakana, tafiditra amin’izany ny karaman’ny mpiasam-panjakana sy ny fitakiana samihafa, toy ny ataon’ny sendikan’ny mpampianatra, ny mpitatitra. Vola amina miliara daholo ireny.

Vahaolana hiatrehana izany rehetra izany ny fanampiana avy any ivelany, sy ny fampidiram-bola avy amin’ny hetra sy ny ladoany. “Miankina betsaka amin’ireo ny volam-panjakana hoenti-miasa, satria araka ny fidirany koa ny fivoahany”, hoy ny minisitra Rasoloelison Lantoniaina.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.