Flash
Préc Suiv

Mampiteny ny moana ny asan-dahalo… Tanàna iray manontolo may, olona fito namoy ny ainy

Mampiteny ny moana ny asan-dahalo… Tanàna iray manontolo may, olona fito namoy ny ainy

Andihizan’ny dahalo sy hanamparany ny heriny tanteraka ny faritra maro eto amin’ny Nosy. Porofon’izany ity fanafihan-dahalo mahery vaika, tany Sakay, Ikalamavony, ny alakamisy teo ity. Ankoatra ny omby maro voaroba, nodoran’ny dahalo ny tanàna, ka olona fito be izao no indray namoy ny ainy.

Tena nahery vaika. Izay no azo ilazana ity fanafihan-dahalo, narahina fandrobana sy herisetra, tao Sakay, Ikamavony, afakomaly ity. Tsy vitan’ny nandroba ireo omby tao an-tanàna fotsiny ireo dahalo nirongo fiadiana fa sady nandoro ny tanàna iray manontolo ihany koa.

Araka ny fanazavana azo, nanao be fiavy ireo dahalo marobe tamin’ny tanàna somary ambanivohitra. Nanapoapoaka basy, tonga tampoka izy ireo nampihorohoro ny mponina. Ny sasany nandoro trano. Nisavoritaka tanteraka ny olona nanoloana izany. Sady raiki-tahotra tsy nahavita nanohitra ireo dahalo no namonjy ny trano mirehitra. Ireo olona maty izay mbola tao anaty torimaso sy nisitrika noho ny tahotra. Taraiky tao anaty trano nirehitra izy ireo. Ny dahalo kosa nanara-po nanao izay danin’ny kibony.

Niala tsy nisy nanara-dia ireo dahalo taorian’izay. Efa ora maro taty aoriana vao tonga ny mpitandro filaminana nizaha ny zava-misy ary nanao ny fanarahan-dia. Misy ny kizo nizoran’ireo dahalo niaraka tamin’ny omby ka efa mandeha ny fanarahan-dia sy ny fanadihadiana.

Tsy voafehy intsony

Tsy voafehy intsony ny tsy fandriampahalemana indrindra ny asan-dahalo any amin’ny faritra ambanivohitra any. Raha ity tranga ity, efa tafahoatra ny ataon’ny dahalo raha olona fito indray maty mandritra ny fanafihana iray. Any an-toeran-kafa toy ny tany Maroaboaly Miandrivazo, dahalo 50 lahy nirongo basy nanafika ary nahafaty olona ihany koa. Efa rezimanta iray mihitsy ireo dahalo. Aiza ny mpitandro filaminana andrandrain’ny vahoaka amin’izao fotoana izao. Tsy mahavita ny asany izy ireo? Sa tsy manana paik’ady entina miady amin’ireto dahalo marobe mandravarava ireto. Tsara ny fampisehoana fahaiza-manao teny Mahamasina fa miandry fampiharana ny olona. Navaivay ny fanamarihana sy fitsikerana nataon’ny olona momba ireo mpitandro filaminana teny fa raha tena alefa any amin’ny be dahalo tokoa ireo mety ho foana ny asan-dahalo. “Tena mifandona amin’ny dahalo fa tsy be vono vorona fotsiny aty an-tanan-dehibe, sy ataon’ny fitondrana fitaovana politika entina hamoretana vahoaka”, hoy ny maro. Andrasana araka izany ny fandefasana ireny miaramila teny Mahamasina ireny sy ireo fitaovam-piadiana narantiranty any Ikalamavony.

Randria

Les commentaires sont fermées.