Flash
Préc Suiv

Hira amin’ny teny frantsay: misokatra ny fisoratana anarana amin’ny fifaninanana

Hira amin’ny teny frantsay: misokatra ny fisoratana anarana amin’ny fifaninanana

Tonga amin’ny andiany fahafito ny fifaninanan-kira amin’ny teny frantsay, izay karakarain’ny Alliances françaises manerana ny Nosy. Fantatra fa efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo liana ary hotanterahina ny 17 sy 18 aogositra kosa ny fifanintsanana.

« CNCF » ny ahafantaran’ny maro ity fifaninanan-kira miavaka sy maimaimpoana ity. Tanjona ny hampahafantatra sy hanondrotra ireo talenta vaovao, any ambadimbadika any. Eo koa ny hanomezana sehatra matihanina sy mendrika ireo manam-peo miavaka, izay tsy mbola nahita hetsika nahafahany nanao izany.

Misokatra any amin’ny Alliances françaises rehetra ny fisoratana anarana ka, anisan’ny fepetra ny hoe tokony tsy ho latsaky ny 16 taona. Misolotena ny faritra misy azy izay voafidy any amin’ny Alliance française tsirairay ary handray anjara amin’ny dingan’ny famaranana nasionaly, hotanterahina aty an-drenivohitra.

Fomba iray enti-manome lanja ny teny frantsay ihany koa ity fifaninanana ity, saingy amin’ny fomba kanto no anehoana izany. Misafidy izay hira tiany amin’ireo an-jatony atolotra azy ny mpifaninana, amin’ny voalohany. Ahitana karazan-kira rehetra, ny taloha sy ny ankehitriny, io. Tsiahivina fa, tamin’ny andiany farany teo, nomena lanja ihany koa ny talenta amin’ny fahaiza-mamoron-kira. Antenaina fa hitohy izany amin’ity andiany ity.

Landy R.

 

Les commentaires sont fermées.