Flash
Préc Suiv

« Bibliothèque pour tous »: nizarana boky 600 ny fokontany 15

« Bibliothèque pour tous »: nizarana boky 600 ny fokontany 15

Ho fanohizana ny « Boky mitety vohitra », miroso amin’ny tetikasa « Bibliothèque pour tous » na « Tranomboky ho an’ny rehetra » indray ny fikambanana Gazela sy ireo mpiara-miasa aminy ahitana ny edisiona « Jeunes Malgaches »,  ny fikambanana frantsay « Le livre aux milles zébus » ary ny « Solidarité avec Madagascar ». Boky 600 izay amin’ny teny malagasy nasiana dikany amin’ny teny frantsay ny ankamaroany no nozaraina ho an’ny fokontany 15 ao anatin’ny kaominina Itaosy sy kaominina ny Andranonahoatra ary ny kaominina Ambohidrapeto. Saika natokana ho an’ny ankizy izy ireo kanefa « tsy manakana ny tanora sy ny olon-dehibe tsy hamaky akory izany »,  hoy Rtoa Marie Michèle.

Notanterahina, omaly, tao amin’ny efitrano malalaky ny kaominina Itaosy ny fanolorana ireo boky ireo ho an’ny tompon’andraikitra isaky ny fokontany. Nisy rahateo ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana eo amin’izy ireo sy ny avy ao amin’ny tetikasa « Bibliothèque pour tous » ny amin’ny fomba hoenti-mitantana ny boky. Niara-niaiky ireo nandaha-teny fa raha tsara tantana sy hahitana vokatra tsara izy ity, azo eritreretina ny ahatongavana hatrany amin’ny fananganana tranomboky isam-pokontany na isaky ny kaominina.

Lanonana nialohavana fiofanana nomen-dRtoa Marie Michèle avy ao amin’ny edisiona « Jeunes Malgaches ». Fampitana fahalalana fototra momba ny rohim-boky sy ny fomba fitantanana ny boky amina sehatra manana endrika trano famakiam-boky (mampindrana, mamaky eo an-toerana) ny nataony tamin’izany. Notsiahiviny ihany koa ny maha zava-dehibe ny soa azo avy amin’ny vaky boky izay anisan’ny nanohizany ny tetikasa « Boky mitety vohitra » amin’ity tetikasa « Tranomboky ho an’ny rehetra » ity.

Ho an’ny kaominin’Itaosy manokana : « tsara fahatongavana ireto boky ireto. Tena goavana aminay ny fisian’izao hetsika izao satria efa manana trano famakiamboky izahay. Miha matevina hatrany ny boky ananan’ny kaominina. Tsy maintsy jerena ihany koa anefa ny fokontany ao anatin’izany kaominina izany », hoy Randrianarisoa Jean Richard, ben’ny Tanànan’Itaosy. Nomarihin’ity ben’ny Tanàna ity hatrany fa anisan’ny ezaka imasoan’ny kaominina Itaosy ny fampahafantarana indray ny lanjan’ny kolontsaina malagasy.

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.