Flash
Préc Suiv

Fanjakana «midororororo»

Fanjakana «midororororo»

«Midororororo». Io tenin-jatovo fampiasa ankehitriny io no mahalaza ny toetran’ity fanjakana ity, raha ampifandraisina amin’ireo hetsika fitokonana sy fitakiana etsy sy eroa amin’izao fotoana izao. Raha adika, mitaredretra, tsy taitra raha tsy kotrohina… Porofo mitohoka amin’ny tendany, izao fitokonana ataon’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka (Seces) sy ny mpianatra ary ny mpandraharahan’ny oniversite, eny Ankatso, izao. Io ny akaiky indrindra. Efa oviana no nahenoana ny fitakiana ataon’izy ireo, saingy toa arirarira, ahodinkodina fotsiny. Tsy hita ihany izay valin-teny mahafapo sy vahaolana tena maharitra. Tsy mahagaga raha miseho hatrany ny hetsika amin’ny alalan’ny fitokonana, “sit-in”, fidinana an-dalambe…

Efa nipoaka izao, ohatra, io hetsika teny Ankatso io, omaly vao mikoropaka ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola ary milaza fa efa ao ny vola, saingy mbola misy ny fikarakarana sy ny pitsopitsony mbola hatao… Izay ilay hoe domina sy tairin-dava. Rehefa tonga amin’ny fihetsiketsehana sy fitokonana ny mpanao fitakiana, lazaina indray fa mpanakorontana, “misy ambadika politika”, sns. Eo ihany koa ilay fitenenana miverimberina, zary mankaleo hoe “ny fanarenam-pirenena tsy vita ao anatin’ny fotoana fohy”, “Miantso fitoniana sy fahatsiarovan-tena…”.  Asa re, iza loatra amin’izany rehetra izany ny fototry ny tsy fitoniana ? Iza no tsy mahatsiaro tena amin’izay adidy amin’andraikitra tandrify azy ? Fanjakana “midororororo”.

Ohatra iray amin’ny maro ihany io. Mbola eo koa ny an’ny sendikan’ny mpampianatra sy ny mpanabe, izay mbola nanamafy indray, roa andro lasa izay fa tsy hijanona amin’izao raha tsy mivaly ny fitakina. Izany hoe, raha tsy hita any anaty taratasy fandraisam-bola (bon de caisse) ny sorabola takiana. Ny an-dry zalahy mpanao fitaterana moa iny efa niarahan’ny rehetra nahita iny ny voka-dratsiny sy ny fiantraikany tamin’ny mpandeha. Fanampiana efa ho 11 volana tsy misy voaray. Fampanantenana poakaty, kobaka am-bava, ronono an-tavy.

Ary ity datim-pifidianana mbola tsy nivoaka hatramin’izao ? Nazava ny tenin’ny Ceni, fa efa ny governemanta no manapaka izany. Aiza izany izao ? Endriky ny fidororororoan’ity fanjakana ity avokoa izany rehetra izany.

Randria

Les commentaires sont fermées.