Flash
Préc Suiv

Andry Rajoelina: « Fifidianana ihany… »

Andry Rajoelina: « Fifidianana ihany… »

« Ny fifidianana ihany no hany lala-mahitsy sy lalan-tokana, satria ny vahoaka no tompon’ny fahefana. Ianareo vahoaka no handatsa-bato: hampiala izay olona tsy tianareo, ary hampiakatra izay olona tianareo hitondra ny tany sy ny fanjakana. »

Io ny kabarin’ny filohan’ny Tetezamita teo aloha sady filoha mpanorina ny vondrona politika Mapar, Rajoelina Andry, tamin’ny fitsidihana hanazavany ny Finiavana ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara (IEM), tamin’ny vahoakan’i Befandriana Avaratra, faritra Sofia, afakomaly.

Mila hatao amin’ity taona ity ary ao anatin’ny fotoana maintany ny fifidianana, araka ny didy fanapahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Koa raha mirotsaka ny filoham-pirenena ankehitriny, tsy maintsy mametra-pialana 60 andro alohan’ny fifidianana. Raha hatao amin’ny volana septambra, ohatra, ny fifidianana, tsy maintsy  mametra-pialana amin’ny volana jolay izy: afaka iray volana izany, araka ny fanazavany.

Fitiavan-tanindrazana no manosika azy

« Hotanterahintsika avokoa izay lazaiko sy hiarahantsika hatao. Isika no hiara-kanatanteraka ny vina hapetratsika hanavotana ity firenena ity », hoy izy tamin’ny velirano nataony tamin’ny vahoaka. Mila miray fo sy saina ny rehetra, mifankatia… Fitiavan-tanindrazana no manosika azy handray andraikitra lehibe kokoa. Ny zavatra voalohany tokony hilaina aloha, ny hisian’ny fifandimbiasam-pahefana amin’ny alalan’ny fifidianana.

Tsy manao politika fa tia tanindrazana izy, araka ny nambarany. « Mifanome fotoana eto isika, afaka fotoana fohy: hoentiko eto avokoa ireo zavatra hatao eto… Velirano no ataontsika: hataoko izay zavatra rehetra holazaiko, hotanterahina izay zavatra rehetra hapetraka », hoy hatrany izy.

Taorian’ny distrikan’i Befandriana Avaratra, ny distrikan’i Mandritsara no namaranany fitsidihany ny vahoaka ifotony any amin’ny faritra Sofia.

R.Nd.

Les commentaires sont fermées.