Flash
Préc Suiv

Sampandraharahan’ny hetra (DGI) : manome fanofanana hiadiana amin’ny kolikoly

Sampandraharahan’ny hetra (DGI) : manome fanofanana hiadiana amin’ny kolikoly

Nanomboka ny 25 jona teo hatramin’ny 6 jolay, manome fiofanana ny mpiasan’ny hetra ny ao amin’ny  DGI miaraka amin’ny Pagi (Programme d’appui à la gouvernance institutionnelle) ho fanatsarana ny fidiram-bolan’ny fanjakana amin’ny alalan’ny hetra, hiadiana amin’ny kolikoly. Manampahaizana roa eo amin’ny lafiny teknika sy ny fampiharana izany fanaraha-maso ny hetra izany ireo mitondra ny traikefany amin’ireo mpiofana malagasy ireo.

I Jean Claude Guyot sy i François Raynaud, samy avy amin’ny sampandraharahan’ny fanaraha-maso ny hetra avy any Frantsa avokoa izy roa lahy ireo. Betsaka ny lesoka eto an-toerana eo amin’izay lafiny fanaraha-maso ny hetra izay, mahatonga ny DGI miezaka manatsara ny tandrify azy. Laharam-pahamehana ny hoenti-miady amin’ny kolikoly, iaraha-mahalala fa mahazo laka.

Fanajana ny fomba fiasa

Tafiditra ao anatin’izao fanofanana izao ny fanentanana sy ny fanajana ny fomba fiasa sy ny lalàna. Tsy vitan’ny resaka ambony latabatra fotsiny anefa fa mitaky fampiharana azy. Tompon’andraikitra lehibe amin’izany ireo mpiasa mpanara-maso. Hatsaraina miaraka amin’izany fomba fiasa izany ny fifantenana sy fanangonam-baovao rehetra mila arahina akaiky. Fomba iray hoenti-miady amin’ny kolikoly hampitombo ny fidiram-bolan’ny fanjakana sy hisian’ny fahatokisana amin’ny asa ataon’ny DGI. Ny fampiharana lalàna sy ny fanatsarana fomba fiasa.

Tanjona izany amin’ity fanofanana ity ny fampitomboana ny fahaizan’ireo mpanara-maso hetra, amin’ny lafiny teknika rehetra, ny fanadihadiana, ny fikarohana, ny fampiharana ny lalàna, sns. Nantsoina amin’izany ireo mpiasa avy amina faritra maro manerana ny Nosy. Tokony hanome fotoana ny DGI hanaovana tomban’ezaka amin’izay vokatra azo avy amin’ izao fanofanana izao.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.