Flash
Préc Suiv

Mila antsojay

Mila antsojay

Efa ho lava. Isaky ny miakatra ny vidin-tsolika, manao ramatahora hitokona na hamiakatra saran-dalana ny mpitatitra. Toy ny omaly ohatra, vitsy  izy ireo no niasa ka nitondra faisana ny mpandeha. Maro ireo voatery nandeha an-tongotra hamonjy ny toerana fiasana.  Soa fa maro ny sekoly mbola tsy hiverina hianatra raha tsy ny alatsinainy izao taorian’ny fetim-pirenena. Ireto taxis-be ireto isan’andro efa mampitondra ny mangidy  ny mpandeha izay tsy manan-tsafidy. Fiara efa reraka  nitatitra an-taony maro mbola hampiasaina ihany. Ny bokin’andraikitra tsy voaraka fa raikitra ny dona-miverina rehefa mahita olona eny an-dalana eny ny mpamily. Ao no mody raha vao mihilana ny andro ka raikitra ny “mêlée” tsy hifankahitana. Ny vodihazo etsy sy eroa tsy lazaina intsony, ny zavamaneno mamaky ampongantsofina, ny famerim-bola odian’ny resevera fanina ka izy indray no manao vavabe sy miteny ratsy. Ny fifanenjehana sy ny kitoatoa nahafaty tsy manan-tsiny maro manginy fotsiny.

Na izany aza ny tolotra omeny, ny fanjakana indray no mbola manome tambiny an-tapitrisany ariary ho azy ireo mba tsy hampakarany ny saran-dalana. Tsy mbola nisy niteny hoe hatsarao ary ny kalitaon’ny asa ataonareo fa mety ho azo ekena ny fampiakarana e. Misy anie taksiborosy sahy nanova zavatra, lafo ny toerana nefa hifarombahana satria tsara ny tolotra omeny ny mpandeha ao aminy. Ny mpizahatany hitety an’i Madagasikara efa misafidy amin’izy ireo rehefa mandeha. Fanontaniana iray koa ny hoe maty antoka tokoa ve ny tompon’ny taxi-be? Tsy fantatra be ihany mantsy ny kaonty, ny vola miditra sy ny mivoaka, ny sata mifehy ny mpiasa sy ny fepetra isan-karazany maha orinasa. Manao izay tiany hatao ny kaoperativa ka ireo izay te hanova ny fomba ratsiny hanaovany didin’ny besandry. Ny fitateram-bahoaka anie ka asa fanompoana e, “service public”, hoy ny vazaha. Ary any rehetra any, ny fanjakana no mitantana izany, mameno ny fatiantoka fa tsy ankinina amin’ny tsy miankina mihitsy. Efa natao teto izany, Fibata-Fima-Antafita; saingy tsy nahomby satria lasa resaka kiantranoantrano ny fitantanana. Azo atao tsara ny miverin-dalana fa tsy izao raharaha tsy manjary izao foana no miandry ny vahoaka tsimandadiharona. Vao maraina ka mandrakariva. Ampy tokoa izay.

Andrianjaka Vonjy

Les commentaires sont fermées.