Flash
Préc Suiv

Vita lanonana, fa tsy afaka olana…

Vita lanonana, fa tsy afaka olana…

Vita iny ny fankalazana ny tsingerin-taon’ny niverenan’ny Fahaleovantena. Ho an’izay afa-nihetsika tamin’izany io, fa arakaraka ny eo an-tanana ny enti-manana. Tamin’iny, mbola folo hafatra indray ny mpitondra ny amin’ny tsy hanekena intsony ny fanakorontanana. Izany no hampiverina indray amin’ny krizy… Aoka izay! Ampy izay!

Izay tokoa ve? Toy ny hoe tsy tomponandraikitra amin’izany ny mpitondra, fa izay ivelan’ny fitondrana na ny mpanohitra hatrany no hoe fositra sy fototry ny korontana: ny vahoaka, manaiky hetsehin’ny mpanao politika. Izay no ampitandremana ny vahoaka tsy ho voarebireby amin’izany intsony; eny, na amin’ny politika aza.

Hihetsika amin’izao ny vahoaka raha tsy amin’izay maharesy lahatra azy? Na mby amin’izay tsy zakany intsony… Efa saika mahatofoka ny maro ny afitsoky ny mpanao politika, ny fomba fanaovana politika, ny tanjon’ny mpanao politika amin’ny ataony… Hatramin’izao, tsy hita loatra izay mba hoe fiovana sy fanovana amin’izany.

Vokany, tsy misy fivoarana ny fiainan’ny vahoaka ifotony, vao mainka miharatsy andro aman’alina aza. Tsy inona fa noho ny afitsoky ny mpitondra tsy mahatanteraka ny teny nomena sy ny fanamby natao. Ny fahazoana fahefam-panjakana ampisaina ho an’ny tombontsoa manokana ho an’ny tena no mahamaika?

Tsy takona afenina izany amin’izao: tsy noho ny nataon’ny mpitondra tamin’ny nandrafetana sy nampandaniana ny lalàm-pifidianana ve, ohatra, no nahatonga ny fidinana an-dalambe  amin’izao krizy izao? Manginy fotsiny ny fahatofohan’ny vahoaka noho ny fampahantrana, ny kolikoly, ny fivarotan-tanindrazana, ny kiantranoantrano…

Inona ny vahaolana? Aoka àry izay ny tsy fanarahan-dalàna, ny fanamparam-pahefana, ny raharaham-pirenena ananan-kavana, ny fisian’ny tsimatimanota… Tsy ampy ny fitiavan-tanindrazana, ny fangaraharana, ny fihainoana ny hafa… Mba misy ny fahatsiarovan-tena amin’izany fa tsy hoe mety avokoa izay ataon’ny tena?

Vita iny ny lanonana fanao isan-taona, fa tsy afaka olana mandavantaona… Mandra-pahoviana raha tsy misy ny fiovana sy fanovana?

Rafaly Nd.

Les commentaires sont fermées.