Flash
Préc Suiv

Toamasina: ankoatra ny asan-jiolahy, vonoan’olona etsy sy eroa

Toamasina: ankoatra ny asan-jiolahy, vonoan’olona etsy sy eroa

Tsy milamina intsony i Toamasina! Mirongatra izaitsizy ny vonoan’olona ao an-toerana, ankoatra ny asan-jiolahy mampitaraina ny mponina. Nitrangana fanafihana nahafatesan’olona iray tao amin’ny tetezana mampisaraka ny fokontanin’i Morarano sy i Tanambao Verrerie, afakomaly tamin’ny 5 ora sy 30 mn. Maty notifirin’ny jiolahy ny tovolahy mpivarotra fahana telefaonina finday. Voatifitra teo amin’ny lohany izy raha voa teo amin’ny tongony ny raim-pianakaviana iray nikasa hisakana sy hiaro ilay niharam-boina. Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny Hopitalibe Toamasina ilay niharam-boina. Raha ny loharanom-baovao, efa avy nanao fandrotsaham-bola ilay tovolahy maty voatifitra ka tsy nisy volabe intsony tao anaty sakaosiny izay nalain’ireo jiolahy fa fahana sy telefaonina ary vola kely ambiny sisa.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.