Flash
Préc Suiv

Tsy fandriampahalemana: 4 000 namoy ny ainy, zandary ny 80 amin’ireo

Tsy fandriampahalemana: 4 000 namoy ny ainy,  zandary ny 80 amin’ireo

Mila ezaka goavana dia goavana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Miteny ho azy ny tarehimarika navoakan’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena, omaly. Tao anatin’ny dimy taona izay, efa nahatratra 4 000 ireo namoy ny ainy, ka zandary ny 80 amin’izany…

Marobe raha ny isa nomen’ny talen’ny filaminana sy ny fikaroham-baovao (Directeur de la sécurité et des Renseignements), ny kolonely Ravoavy Zafisambatra, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny efitra OPS Toby Ratsimandra omaly. Mahatratra 4.000  ny isan’ny olona maty vokatry ny tsy fandriampahalemana eto amintsika tao anatin’ny dimy taona. Ahitana olon-tsotra ireo, dahalo, jiolahy ary mpitandro filaminana. “Tao anatin’ny dimy taona izany, 10.000 ny isan’ny olona voasambotra. Misy amin’ireo ny fokonolona mifanafika mifamono, ny dahalo matin’ny fokonolona, ny olona matin’ny dahalo, matin’ny zandary sns”, hoy ny kolonely Ravoavy. Miisa 80 ny  zandary maty nandritra izany.

«Miantso ny olona rehetra eny anivon’ny fiaraha-monina, na olom-piangonana izany, na raiaman-dreny ara-drazana, na avara-pianarana mba handresy lahatra ny olona any amin’ny toerana misy azy avy mba tsy hisorohana ny faty olona. Isika samy Malagasy ihany no mifamono eto fa tsy misy olona avy amin’ny firenen-kafa akory manafika any amin’ny kaominina na fokontany misy antsika. Miantso ny ben’ny Tanàna handray andraikitra mba hisorohana ny fisian’ny faty olona marobe tahaka izao”, hoy ny kolonely nanamafy.

Mila mandray andraikitra ny rehetra amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana raha ny tian’ny zandary ahatongavana. Efa ao anatin’ny paik’adin’izy ireo rahateo ny fidinana ifotony raha ny efa nolazain’ny Seg vaovao.

Miainga avy any ambony ny ohatra

Araka izany, mianga avy any ambony ny ohatra amin’ity ady amin’ny tsy fandriampahalemana ity. Rehefa resy lahatra ny mpitandro filaminana sasany, voaresy lahatra fa tsy hivarotra na ampanofa basy amin’ny jiolahy, tsy hanao kolikoly mety hihena ny tsy fandriampahalemana. Ny fitsaram-bahoaka mirongatra io mantsy, endrika iray anehoan’ny olona ny tsy fahatokisany ny mpitandro filaminana intsony. Hany ka tsy manaraka lalàna intsony ny rehetra. Mety ny tsy fahalalan’ny olona ny lalàna ihany koa mahatonga izay ankoatra ny tsy fahatokisana. Ny fanjakana, ny mpitandro filaminana tompon’andraikitra voalohany amin’izany, ka rehefa miainga avy any ambony ilay ohatra, mety hanaraka ihany ny vahoaka. Andrasan’ny rehetra faran’izay haingana izao ohatra ady amin’ny asan-dahalo any ambanivohitra any, ny resaka kidnapping, ny asan-jiolahy eto an-drenivohitra. Samy miandry fiovana izany ny rehetra.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.