Flash
Préc Suiv

Mba tsy ho honohono ankifonofono lava…

Mba tsy ho honohono ankifonofono lava…

Hatramin’izao, mbola mahabe resaka ihany ny amin’ny firafitry ny governemanta; eny, na ny fanendrena ny praiminisitry ny marimaritra iraisana aza. Dingana kely amin’ny famahana ny olana politika amin’izao aloha ny fijoroan’ny governemanta vaovao. Amin’ny lafiny iray indray, efa tonta sahady izany: akifakifaky ny mpiasa ao aminy avy hatrany ny sasany. Efa nangoronan’ny olona lamba tsinona, manana tantara ratsy.

Mbola mampanontany tena ny maro koa ny hoe: inona loatra no nahatonga ny fitondram-panjakana hanendry olona toy izany? Tsy fananana olona, tsy firaharahana ny hafa, fihantsiana fotsiny izao… Na tsy matoky ny hafa, fa ireo ihany no tena zavatra. Zary fanamarinan-tena sy fialana ny hoe misy fifanarahana politika ny nananganana ny governemantan’ny marimaritra iraisana. Inona ny marina?

Matoa misy ny fanoherana hatrany ny minisitra HVM, ao raha… Na tsy nisy ny fifanarahana politika mazava tamin’ny nananganana ny governemanta, na tsy fantatry ny hafa mialoha izay mety hataon’ny sasany, na nisy ny fitapitaka noho ny haratsian-toetra sy ny politika maloto. Farafaharatsiny, mba takatra mialoha ahay izay mety ho fihetsika sy fanoheran’ny hafa amin’izao fiainam-pirenena sarotra sy manahirana izao.

Raha tsy izany rehetra izany, fihantsiana fotsiny izao ny raharaha. Tsy inona fa atao ihany ny atao, na inona mety ho fahadisoan’ny tena, na iza hiteny na iza tsy faly. Tsy mahalala tsy tiana? Na matoky tena ka mihanjaka eo imasom-bady. Ho tonga hatraiza? Izay anantenaina  handamin-javatra amin’ny hoe marimaritra iraisana izao no mahatonga tsy fifampitokisana, fifampiampangana, fanilihana andraikitra amin’izay vokany.

Hanao ahoana? Mbola eo hatrany ny fifandroritana; eny, na ny amin’ny fanomanana sy fanatanterahana ny fifidianana aza: ny lalàm-pifidianana, ny tetiandrom-pifidianana, ny fahaleovantenan’ny Ceni… Mila mazava sy hentitra dieny izao: tena iombonana sy mampiombona. Sao ankifonofonfo toy ny fandrafetana governemanta. Ny amisavisana ny ratsy, hiavian’ny soa ho amin’ny tena vahaolana tokoa.

Rafaly Nd.

 

Les commentaires sont fermées.