Flash
Préc Suiv

Sosialy sy ny kolontsaina: 15 taona ny Bel Avenir

Sosialy sy ny kolontsaina: 15 taona ny Bel Avenir

Fikambanana tsy miankina, malagasy, mpikambana amin’ny tambajotra iraisam-pirenena antsoina hoe Eau de coco, ny fikambanana Bel Avenir, any Toliara. Miparitaka amina firenena valo io tambajotra  ary manetsiketsika ny fiarovana ny zon’ny ankizy, amin’ny alalan’ny fanabeazana, fototry ny fampandrosoana.

15 taona nijoroana ny Bel Avenir ary miisa telo alina ireo olona efa nahazo tombony tamin’ireo tetikasany,  tany amin’ny faritra Matsiatra Ambony sy Atsimo Andrefana. Natao tamin’iny faran’ny herinandro iny ny lanonana fanamarihana izany tsingerintaona izany. Nampahatsiahivina, nandritra izany, ireo zava-bitan’ny fikambanana.

Eo amin’ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto, nampahafantatra ny talentan’ny tanora malagasy, indrindra ireo avy amin’ny fianakaviana sahirana, hatrany ivelany any, ny Bel Avenir. Ny Bloco Malagasy, ny Malagasy Gospel, ny Roda Malagasy, anisan’ireo tarika mpanakanto efa fanta-daza.

Maromaro ireo hetsika notontosaina tamin’iny faran’ny herinandro iny, toy ny fandefasana horonantsary, “cabaret”, fampisehoana, sns.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.