Flash
Préc Suiv

Kitra-“THB Champion’s League” : miray sokajy ny Jet Mada sy ny Elgeco

 Hanomboka,  ny zoma izao,  ny dingana voalohany ho an’ny “THB Champion’s League”,  taranja  baolina  kitra. Anisan’ny miray sokajy ao amin’ny “Vondrona  Antsirabe” ny tompondakan’ Amoron’i Mania, ny FC AZ.  Miaraka amin’izy ireo amin’izany, ny FCV C Vakinankaratra, ny FC Rabaza avy any Atsimo Atsinanana, ny FC Olympique avy any Menabe. Manampy azy ireo  ny Jet Mada avy any Itasy  sy ny  Elgeco Plus.  Hifandona avy hatrany amin’ny FC AZ io solontenan’Analamanga io  amin’izao andro voalohany izao.

Ankoatra izany, tafita amin’ny dingan’ny 1/16-n-dalana, eo amin’ny fiadiana ny Telma Coupe,  Amboaran’i Madagasikara  koa ny FC AZ.  Nomontsanin’izy ireo tamin’ny  isa mavesatra  6  no ho  3,  ny Net Foot, tetsy amin’ny kianjan’ny Carion,  omaly. Efa nitarika tamin’ny isa 3 no ho 1 ny solontenan’Amoron’i Mania teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Mbola niampy baolina telo izany teo amin’ny fizaram-potoana faharoa.

Tsiahivina fa tokony ho nifanandrina tamin’izy ireo ny faran’ny herinandro teo tany Ambositra, ny ekipan’ny Stando Disciples. Nazava anefa ny taratasy nalefan’ny federasiona nilaza fa resy ambony latabatra « forfait » ity solontenan’ny ligin’i Vakinankaratra ity, noho ny fitarainana nataon’ny Net foot. Nambaran’ny FMF fa nitombina  izany ka nanapahana  hevitra fa tafita ny Net Foot ary izao notanterahina izao ny lalao ka  nivoahan’ny FC AZ ho mpandresy.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.