Flash
Préc Suiv

Mahabo – Morondava : mpitondra mpizahatany iray indray matin’ny jiolahy

 Io indray! Mpamily mpitondra mpizahatany iray indray maty voatifitry ny dahalo tao Mahabo Morondava, afakomaly tolakandro. Araka ny fampitam-baovao voaray, dahalo maromaro nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no nanafika ny fiara nentin’ilay mpitondra mpizahatany. Teo amin’ny 55 km mialoha ny hidirana ny tanànan’i Morondava no nitranga ny fanafihana. Maty tsy tra-drano ny mpamilin’ilay fiara nitondra mpizahatany. Vao tamin’ny herinandro teo no nisy trangana fanafihan-dahalo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika koa tamin’ny lalana mihazo ny Tsingin’i Bemaraha, kanjo izao mipoitra indray koa ity ny fanafihana manaraka. Miaina ao anatin’ny tebiteby hatrany ny mpitondra mpizahatany amin’iny faritra Morondava mihazo ny tsingin’i Bemarahana iny. Manahy ireo mpisehatra ao anatin’ny fandraharaha momba ny fizahatany fa hikatona tanteraka ny lalana mihazo iny faritra mahasarika mpizahatany maro iny. Tsy misy fandraisana andraikitra matotra avy amin’ny fanjakana na teo aza ny hevitra tinapaka nandritra ny fivoriana niarahan’ireo tompon’andraiki-panjakana ao amin’ny faritra Menabe amin’ny fisian’ireo zandary manara-dia ireo fiara mitondra mpizahatany sy mifamezivezy amin’iny lalana iny. Ny dahalo indray no lasa mifehy ny tanàna?

Fa maty rotiky ny balan’ny dahalo koa ny tovolahy iray nandeha moto teo anelanelan’i Tsiroanomandidy sy Ambaravaranala, afakomaly tolakandro. Voalazan’ny fampitam-baovao fa nandeha irery ity tovolahy ka nifanehatra tamin’ireo malaso. Efa nihazo an’i Maintirano ny fatin’ilay niharam-boina.

J.C

 

Les commentaires sont fermées.