Flash
Préc Suiv

Rava ny « bande de Sardo » : mbola mpianatra ireo mpanendaka ao Toamasina

Rava ny « bande de Sardo » : mbola mpianatra ireo mpanendaka ao Toamasina

 Mpianatra mbola tsy ampy taona telo lahy tratran’ny Fip tany Toamasina, mpanendaka mahery vaika. Izy ireo no antsoina hoe « bande de Sardo », izay lehibe mpitarika azy ireo…
Nisesisesy tao anatin’ny telo volana ny fanendahana amin’iny lalam-baovaon’ny Tanambao fahadimy mivantana hatrany Ambolomadinika Toamasina iny. Maro ireo nahita faisana na mpandeha an-tongotra, na moto, hatramin’ny mpandeha fiara aza.  Fiarana raim-pianakaviana, tale jeneraly amin’ny orinasa tsy miankina iray very “auto radio” sy fitaovana maro tao anaty fiara, ny zoma teo, raha mbola variana tao amin’ny trano fisotroana ny tenany. Toy

izany koa ny renim-pianakavina nirava niasa, voaroba moto, ny talata 12 jona lasa teo.

Vokany, nametraka paik’ady hahafahana misambotra an’ireo olondratsy ireo ny polisin’ny Fip

ny alin’ny asabotsy 16 jona teo . Sarona sy voasambotra ny telo lahy miaraka amin’ny zava-maranitra fampiasan’ izy ireo amin’ny fanendahana.

Ireto farany izay mbola samy tanora mpianatra avokoa, ankizy 15 taona monina any Andranomadio  parisela 11/41, kilasy faharoa;  ny faharoa 17 taona, monina any Ankirihiry, kilasy voalohany. Samy mpianatra anivon’ny Lisea Jaques Rabemananjara ny roa voalohany ary ilay mitondra ny anaran’ny ekipa antsoina hoe Sardo, 18 taona, monina

Ankirihiry eny amin’ny Lisea tsy miankina. Nohamafisin’ny fanadihadiana hatrany fa samy mbola mipetraka amin’ny ray aman-dreniny avy ireto jiolahy mpanendaka ireto.

Ny famotorana ihany no nahalalana fa mihinana fanafody « rivotril » sy zava-mahadomelina izy ireo mialohan’ny hanaovany asa ratsy.

Mitohy hatrany ny ady amin’ny asan-jiolahy ao Toamasina. Ity renivohim-paritany ity anisan’ny be asa ratsy tao anatin’ny fotoana maro izay. Manao ezaka ny mpitandro filaminana, saingy tsy voafehy izany. Fanendahana, fanafihana mitam-basy, ny kidnapping indrindra indrindra. Ity tranga farany izay mbola tsy misy mangirana hatramin’izao.

Sajo sy Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.