Flash
Préc Suiv

Asa fanaovan-gazety : nodimandry i Joe Miandrisoa

Asa fanaovan-gazety  : nodimandry i Joe Miandrisoa

 Namoy namana iray indray ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Nodimandry ny 15 jona teo  ny namana mpanao gazety, i Mbony Miandrisoa Christian, na i Joe Miandrisoa, ao amin’ny Radiom-pirenena. Nalaza ny feon’izany Jaomiandrisoa izany tao amin’ny RNM, niandraikitra asa maro.

Talohan’izao nahalasanany azy izao, lehiben’ny sampandraharahan’ny fampahalalam-baovao izy, ankoatra izany, nisahana fandahrana maro ihany koa ny namana Joe Miandrisoa, toy ny Masoroa, mpanentana ny Savaravina. Nitondrany olona samy manana ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena ireo fandaharany ireo, nentina nampiadian-kevitra ho fampandrosoana an’i Madagasikara.

“Masiaka be ronono no be vazivazy, ary hentitra amin’ny fanatanterahana ny asa”, hoy ireo mpiara-miasa aminy ao amin’ny RNM. Tsy vitsy ireo mpandraharaha sy mpanao politika nifanerasera taminy. Efa nanangonan’i Joe Miandrisoa vaovao avokoa ny faritra rehetra manerana ny Nosy, nandritra ny 24 taona niasany tao amin’ny RNM. Nialoha izany, tao amin’ny Radio Tsioka Vao no nisantarany ny asa fanaovan-gazety.

Hoentina anio any Bezaha, Betioky Atsimo ny nofony. Mirary fiononana feno ho an’ny vady aman-janany sy ny fianakaviany izahay ato amin’ny gazety Taratra.

Ny gazety Taratra

 

Les commentaires sont fermées.