Flash
Préc Suiv

Mahazoarivo : niala ny tale kabinetran’ny PM

 Tsy ampy herinandro.  Nametra-pialana amin’ny maha tale  kabinetran’ny praiminisitra azy Rakotozafy Andry Herizo. Vao andro vitsy ny nanendrena azy amin’izany toerana izany  ho anisan’ny  ho mpiara-miasa akaiky ny Praiminisitra Ntsay Christian eny amin’ny lapan’i  Mahazoarivo. Tsy  voafaritra mazava  ny anton’ny  fametraham-pialany. Na izany  aza, nambarany fa tsy mety amin’ny fotokevitra sy ny faharesen-dahatry ny tenany ny fanendrena azy. Tsiahivina  fa zanaky ny  depioten’Ambatofinandrahana, Razanamahasoa  Christine, efa  lasa minisitry ny  Fanajariana ny  tany sy ny  tanàn-dehibe,  amin’izao governemanta vaovao izao, ity notendrena ho tompon’andraikitra ambony eny Mahazoarivo ity. Niteraka  resabe any anaty tambajotran-tserasera izany…  Mety ho anton’ny fialany izany rehetra izany ?

Synèse R.   

Les commentaires sont fermées.