Flash
Préc Suiv

Fety mihotakotaka

Fety mihotakotaka

Mivolon’andro fety ny etsy Analakely. Mirantiranty ny karazan’entana vita sinoa hanamarihana ny fetin’ny Fahaleovantena. Somebiseby ny olona, mifanaretsaka samy mitady izay mety aminy. Mifanisa amin’ny mpiantsena ny mpividy.

Miezaka manohy ny fiainana andavanandro ny rehetra na mihotakotaka aza ny raharaham-pirenena. Toa jerena milamina kanefa mifonofono hafanana. Manaporofo izany ny mbola fitohizan’ny hetsika eny amin’ny kianjan’ny 13 mey, hataon’ireo solombavambahoaka 73.

Ankoatra izany ny fanendrena ireo minisitra manohintohina ny ankamaroan’ireo mpiasan’ny minisitera nametrahana azy avy.

Tsy lazaina intsony ny tsy fandriampahalemana miseho lany etsy sy eroa, tsy an-tanàn-dehibe tsy ambanivohitra. Vao mainka mampatahotra ny fisian’ny mpampihorohoro efa tena sahy mampilaza ny baomba apetrany anaty magazay. Loza!

Any ambanivohitra, nisesy ny fanafihana ireo mpitondra mpizahatany ary namoizana ain’olona mihitsy izany. Mampiato ny diany eto Madagasikara ireo vahiny efa niomana ny ho tonga aty rehefa naheno izany vaovao izany.

Ankoatra izany ny halatr’omby, ny fakana an-keriny, ny fanendahana, ny vaky trano, ….

Fotoana tokony hanehoana ny fahatonian’ny firenena anefa ny fanamarihana ny fetin’ny Fahaleovantena. Fotoana hanehoana ny fitiavan-tanindrazana ary hivoizana izany na am-bava na amin’ny fihetsika, indrindra amin’ny fisainana.

Raha ny zava-misy, somokotra amin’ny ady seza politika ireo politisianina. Tsy misy mijery ny madinika fa miady fo mafy, hahazo seza ary manakorontana ny fiainam-pirenena hatrany raha vao tsy afa-po.

Etsy andaniny ny valalabemandry, samy mikofokofoka mitady izay harapaka isan’andro. Tsy manana an’iza hiantsampazana fa miatrika irery ny fiainany. Tsikaritra anefa fa miakatra ny vidin’entana, manararaotra ny andro fety ny mpivarotra.

12 andro sisa tsy higadonan’ny 26 jona. Tsy misy ny fitoniana raha ny fiainana andavanandro sy ny rivotra politika no jerena. Fety anaty hotakotaka no hiainan-dRamalagasy.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.