Flash
Préc Suiv

tselatra

Notafihin’ny dahalo ampolony nirongo fitaovam-piadiana tao Bekopaka indray ny vahiny mpizahatany nandeha fiara 4×4, omaly antoandro. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny entana sarobidy an’ireto vahiny mpizahatany ireto. Nitsoaka avy hatrany kosa ireo malaso raha vantany vao nahazo ny entana sarobidy sy ny vola rehetra tany amin’ireo mpizahatany.

Dahalo ampolony maro nirongo basim-borona, indray nanafika tao amin’ny fokontany Ambohibary, kaominina ambanivohitra Ambalajia Maevatanana, afakomaly. Niditra an-keriny tao an-tanàna ireo dahalo sady naka an-keriny. Lasan’ireo dahalo tamin’izany ny omby miisa 102 niaraka tamin’ny basim-borona Baikal iray. Olona roa maty notifirin’ny dahalo. Nisy ny fifandonana tao Bakarara, saingy tafaporitsaka ireo dahalo.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique