Flash
Préc Suiv

Seg vaovao : « hidina ifotony avy hatrany »

Seg vaovao  : « hidina ifotony avy hatrany »

 Vita, omaly, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Seg (sekreteram-panjakana misahana ny zandarimariam-pirenena) teo aloha sy ny Seg vaovao teny amin’ny tobin’ny zandary Betongolo. Nitsodrano ny Seg vaovao ny Jly Randriamahavalisoa Razafindramaitso Girard hahaleo hahalasana ary nilazalaza ny zava-bitany nandritra ny fotoam-pitantanany ny sekretarian’ny zandarimariam-pirenena. Nambarany fa tamin’izany no nisian’ny fanadiovana anatiny teo anivon’ny zandary. Teo ihany koa ny famerenana ny fitokisan’ny vahoaka ka nanaovana ny zandary manatona vahoaka. Anisan’izany ny ady amin’ny kolikoly ka nahazoana vokatra fa anisan’ny nihemotra tamin’ny laharan’ny mpanao kolikoly betsaka indindra ny zandarimariam-pirenena. “Teo aloha, anisan’ny voalohany amin’ny mpanao kolikoly hatrany ny zandary raha ny antontanisa navoakan’ny Bianco”, hoy ny filazana.

Nilaza kosa ny Seg vaovao, ny jly Randriamanarina Jean Christophe, fa hanohy ny efa natomboky ny teo aloha. “Tohizana ny torolalana teo aloha, ary anisan’ny hatao voalohany ny fidinana ifotony indray. Inona ny tsy mety, tonga ve ny baiko ary manatanteraka ve ireo mpandray izany?”, hoy ny Seg. Teo ihany koa ny fanamafisany sy ny fanomezany baiko ny zandary rehetra any amin’ny fibaikoana ny amin’ny fiaraha-miasa amin’ny mpanao gazety.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.