Flash
Préc Suiv

Minisitry ny Fahasalamana vaovao : vina ny fanohizana ny tolotra fahasalamana

Minisitry ny Fahasalamana vaovao  : vina ny fanohizana ny tolotra fahasalamana

“Vina ho an’ny minisiteran’ny Fahasalamana ny fanohizana ny tolotra fahasalamana ho an’ny daholobe satria efa tafapetraka ny tahiry ifampitsimbinana”, hoy ny minisitra vaovao, Rantomalala Harinirina Yoël, omaly teny Ambohidahy. Toromarika nambarany fa harahina koa ny fahaiza-mitantana sy ny ady amin’ny kolikoly amin’ny asa rehetra atao. Andraikitra lehibe miandry ny mpiasan’ny fahasalamana ny fiomanana sahady amin’ny fiatrehana ny pesta ho an’ny vanim-potoana ho avy.

Nilaza kosa ny minisitra taloha, Andriamanarivo Lalatiana fa niasa ny ekipa notarihiny nandritra ny telo taona sy tapany nitantanany ny minisitera. Olona tao anatin’ny ekipa ihany no voatendry hisolo toerana azy amin’izao fotoana izao. Anisan’ny zava-bita nisongadina nambarany ny fametrahana ny toeram-pandidiana 30, amin’ny hopitaly manerana ny Nosy. Niaraka amin’ny fampitaovana ireo ka manana lenta mitovy amin’ny hopitaly lehibe any ivelany, ny HJRA, amin’izao fotoana izao. Nandray mpiasa 3 000 ny minisitera naparitaka amin’ny faritra maro mampihodina ny toeram-pitsaboana samihafa indrindra any ambanivohitra. Nanamarika ny asan’ny minisitera ny ady amin’ny aretina lefakozatra sy ny pesta mpahazo ny tratra, farany teo. Momba ny ady amin’ny lefakozatra, hijery ny antontan-taratasy mikasika an’i Madagasikara ny tomponandraikitra any Accra.

Vonjy A.              

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique