Flash
Préc Suiv

Laharam-pahamehana : milaza ny hetahetany ny poeta sy ny mpanoratra

Laharam-pahamehana  : milaza ny hetahetany ny poeta sy ny mpanoratra

Nahazo minisitra vaovao ny minisiteran’ny Kolontsaina. “Manana ny hetahetanay izahay poeta sy mpanoratra”, hoy i Rado Ramaherison. “Ao anatin’ny firafitry ny Omda, satria bahanan’ny artista (fomba fiantson’ny Malagasy ny mpihira io) loatra io rafitra io ka mahatonga anay hihevitra fa “Office malgache du droit des artistes” kokoa io ka sarona ao ny “droit d’auteur””, hoy izy.  Momba ny sata mifehy ny mpanakanto (25 janoary 2011), nambarany fa “ na asa soratra tokoa aza no ataonay, tsy mbola mety ho asa aloha izany hatreto ka hoe mendrika andoavanay hetra”.

Politika malagasy momba ny boky (14 novambra 2012), “angatahinay mba ho solontena iray avy isaky ny fikambanana pôeta sy mpanoratra mijoro ara-panjakana ny ao anatin’ny kaomisiona malagasy momba ny boky sy koa ny ho ao amin’ny fahefana mpanatanteraka,

ka hamerenana ny trano « Faribolan’ny Mpanakanto » ho araka izay naminavinana sy nananganana azy dia ny ho « Maison des Ecrivains » raha nanome vola tamin’ny fanorenana azy ny Unesco tamin’ny taona 1994.

Nomarihin-dRamaherison Radoarijaona fa mpitondra teny ihany izy amin’izao filazana ny hetahetan’ny poeta sy mpanoratra izao.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.