Flash
Préc Suiv

Very maina!!

Very maina!!

 Azo antoka fa toy ireny sosoa notampohin-drano ireny ny mpitolona etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey. Tany am-boalohany, nazava ny tanjona. “ Miala Rajao, izao dia izao”. Na ny hetsika tany amin’ny faritra  aza, io ny hiaka noventesina. Nivoaka ny didin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana kanefa tsy nahazo rariny ny mpanohitra. Na nanaiky aza ny mpitsara Avo fa fototry ny tsy nahatsanganana ny Fitsarana avo( HCJ) ny filoha, tsy nahazo ny sazy nandrasana ny tenany fa ny Praiminisitra Mahafaly Olivier sy ny governemantany indray no tsy maintsy nametra-pialana. Teo indray anefa, notendren’ny filoha hisolo azy i Ntsay Christian.  Nilaza ireo solombavambahoaka 73 ho an’ny fanovana fa tsy avy amin’ny Mapar ny fanolorana azy, araka ny didy navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Tsy maintsy nanazava ny sain’ny besinimaro Razafitsiandraofa Brunelle sy Razanamahasoa Christine fa ny Mapar tokoa no nanolotra an’i Ntsay Christian. Nolazaina fa tena zava-dehibe ny fanesorana ny fahefam-panjakana eo am-pelatanan’ny HVM  ahafahana mandroso amin’ny fifidianana malalaka, madio, mangarahara ary eken’ny rehetra ny vokany.

Nanao tsindry mafy ny sendikà any amin’ny minisitera sy ny rafitra isan-tokony fa tsy mila HVM intsony hitantana ny raharaha. Akory anefa ny hagagana fa ny minisitra HVM ihany no maro anisa ao anaty governemanta vaovao. Tsy araka izay nifanarahana teny an-kianja. Raha ny tokony ho izy, ny Mapar, Tim ary ny MMM no nahazo laka tao anatiny. Nefa Rajao indray no nivoaka mpandresy. Na i Maharante Jean de Dieu efa halam-bahoaka aza, nafindra toerana fotsiny ihany.Toy izay efa nitranga mahazatra, lasa tohatra fiakarana fotsiny indray ny vahoaka mpitolona mandany andro isan’andro etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey. Indrisy,very maina fotsiny ny andro lany teny ary maro ireo mbola tsy kivy fa tonga eny ihany mihaino ny kabary samihafa. Asa, manantena inona indray ?

Andrianjaka Vonjy             

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique