Flash
Préc Suiv

Ramadany : nizara sakafo ny Ahmadiyya

Ramadany  : nizara sakafo ny Ahmadiyya

Mandritra ny herinandro farany amin’ny fanamarihana ny Ramadany ho an’ny mpino mozilimanina, misy ny fizarana ny Fitrana na koa fanomezan-tsoa amin’ny volana Ramadany natokana ho an’ny olona sahirana. Ny faran’ny herinandro lasa teo no nankalaza izany ny fikambanana mozilimanina eto Madagasikara ary anisany ny fikambanana Ahmadiyya. Zavatra roa no ampianarina mandritra ny volana Ramadany, ny fanekena ny sitrapon’Andriananahary. Faharoa ny fahatsapana ny fahasahiranan’ireo sahirana tsy mahazo sakafo sahaza ho azy ireo. Vokany, tokony manampy hanamaivana ny fahasahiranany, ka ireo manan-karena hahatsapa ny olan’ny marefo, hoy ny tomponandraikitry ny fikambanana eto Antananarivo, Ahmed Mudassur.

Nizarana sakafo ilaina amin’ny fiainana andavanandro ny olona 1 000 mahery ao anatin’ny fokontany Andavamamba sy ny manodidina.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.