Flash
Préc Suiv

Praiminisitra Ntsay Christian : tsy azo ekena velively ny fampiasana zaza tsy ampy taona

Praiminisitra Ntsay Christian  : tsy azo ekena velively ny fampiasana zaza tsy ampy taona

  Nisantaran’ny praiminisitra vaovao ny asany ny ady amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Hentitra ny teniny fa iharan’ny sazy henjana ireo tratra mampiaza zaza tsy ampy taona eto Madagasikara.

Nanamarika ny Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona tany Sambava ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly. Fivoahana voalohany nataon’ny praiminisitra vaovao ity tany Sambava ity.

Hentitra tamin’ny teny nomeny izy, ny amin’ny fampiharana ny lalàna ho an’ireo tratra mampiasa zaza tsy ampy taona. Arovan’ny lalàna ny zaza sy ny ankizy ary mila manaraka izany ny rehetra.

Marihina fa mahafantatra tsara ny tontolon’ny asa sy ny fampiasana ankizy eto Madagasikara ny Praiminisitra Ntsay Christian. Efa nitana andraikitra ambony ary naharitra tao amin’ny birao iraisam-pirenena momba ny asa ny tenany.

Eto Madagasikara, mbola tsikaritra eny amin’ny fiarahamonina ny fampiasana ankizy tsy ampy taona saingy tsy misy sahy miteny noho ny fahasahirana. Firifiry akory ireo ankizy hita eny an-dalambe ampiasain’ny ray aman-dreniny hangataka fa tsy alefa mianatra. Asaina mamelona ny ankohonany.

Any amin’ireo toerana famakiana vato, betsaka ny ankizy sy ny zaza mihitsy aza, miasa amin’izy ireny. Tsy misy fiarovana fa mihanjahanja manao izany asa mitera-doza izany. Ankoatra ireny ny fampiasana ankizy tsy ampy taona mitaona entana eny an-tsena indrindra amin’ny alina.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.