Flash
Préc Suiv

Minisiteran’ny mponina : nitana ny teny nataony an-kianja ny Minisitra Naharimamy Lucien Irmah

Minisiteran’ny mponina  : nitana ny teny nataony an-kianja ny Minisitra Naharimamy Lucien Irmah

Natao omaly ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitra Onitiana Realy sy ny minisitra Naharimamy Lucien Irmah, ao amin’ny minisiteran’ny mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy.

Nilaza ny minisitra vaovao fa hitana ny teny amin’ny hitondrana ny fiovana araka ny fifanekena tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey niarahana tamin’ireo solombavambahoaka 73.

Omaly ihany koa, naneho ny hafaliany manoloana ny fanapahan-kevitry ny praiministra ny mpiasa ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, teny Fiadanana, nitazona ny minisitra Rasoazananera Marie Monique. Nambaran’izy ireo fa vonona hatrany ny mpiasa hanolo-tanana ny minisitra hampandroso ny minisitera.

Tatiana A    

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique