Flash
Préc Suiv

Kianjan’ny 13 mey : miketrika hetsika lehibe ny D73

Kianjan’ny 13 mey  : miketrika hetsika lehibe ny D73

 Haka  fanapahan-kevitra miaraka amin’ny  vahoaka, anio, ny depiote 73  (D73) manoloana  ny mbola fisian’ny minisitra HVM eo anivon’ny governemanta.  Samy nalahelo, kivy ary tezitra avokoa ny ankamaroan’ireo vahoaka  tonga tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, omaly, amin’izao mbola fahitana ny minisitry ny antokon’ny fitondrana misahana minisitera, izao.  « Hotohizana ny tolona ary hihamafy. Miverina any amin’ny voalohany isika, amin’ny fitakina ny fialan-dRajaonarimampianina, manomboka izao…  Raha ilaina aza, miantso  ireo lehibe izahay satria mitovy  hevitra aminay izy ny hidinany ety an-kianja. Tahaka izany koa  ianareo Mapar. Fotoana izao satria tsy azo ekena intsony ny tsy  fanajana lalàna  sy ny fanitsakitsahana  ny didin’ny HCC. Hofaizina rehefa manao  hadalana”, hoy  ny mpitondra tenin’ny D73.

Efa nampitandrina sy niala nenina…

Nohitsin’izy  ireo fa tokony  hiverina  ety an-kianja  ireo  depiote lasa  minisitra rehefa mahita  fa  tsy mety izao fitondrana izao. “Miverena aty hanamafy ny tolona sy miaraka amin’ny vahoaka…”, hoy  ihany izy ireo. Nanterin’ny D73 fa hiova endrika ny tolona sy ny paikady amin’izao  hanohizana azy izao. Nomena anarana “Hetsika ho amin’ny  fanovana’”  izany. Nanterin’izy ireo fa efa niala  nenina sy nampitandrina hatrany, tany am-piandohana saingy tsy narahina ny didin’ny HCC. Notanisain’ny D73 avokoa  ireo minisitera tsy levon’ny  vavonin’izy ireo  ary lasan’ny HVM. Notsikerainy ambony ambany avokoa  izy ireny. Anisan’izany ny minisitry ny Fiarovana, ny Fampianarana ambony, ny Fanabeazam-pirenena, ny Paositra… “Tsy misy antenaina amin’io governemanta io koa tongava maro  rahampitso (anio) fa tsy hitsoaka ady isika”, hoy izy ireo.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.