Flash
Préc Suiv

Fitoriana sy fiderana : nahatontosa ny fanambiny i Harilanto

Fitoriana sy fiderana  : nahatontosa ny fanambiny i Harilanto

Fiderana ny Ray. Fizarana aim-panahy sy fankaherezana amin’ny alalan’ny hira sy ny mozika ary ny dihy. Fanambin’i Harilanto ireo ka notanterahiny tokoa nandritra ny fampisehoana nataony teny amin’ny Viva Arena Ivandry, tamin’ny fiandohan’ity volana ity. « Tsy araka ny mbola maha zaza azy fa nahavita nifehy sy nanafana ny sehatra tamin’ny alalan’ny fihetsika sy fanentanana izy », hoy ireo olona tonga teny an-toerana. Nisy tamin’ireo mpijery ireo aza no latasa-dranomaso teo am-pandrenesana ny tononkira mandona fo sy fanahy. Tsikaritra teny amin’ny endrik’izy ireo ilay fananana aim-panahy sy fankaherezana vaovao.

Nandritra ity seho iry ihany koa no nanoloran’i Harilanto ny kapila mangirana voalohany nampitondraina  ny lohateny « Malalany ianao », mirakitra hira 12, anisan’izany ny « Malalany ianao », ny « Mifalia », « Efa tena akaiky », «  Voadiko », sns.

 Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoany tsy ho ela eto Analamanga ny hanolotra seho maimaimpoana ho an’ny ankizy. Marihina fa ankoatra ny maha hira fitoriana sy fiderana an’Andriamanitra ataon’i Harilanto, kendreny hatrany ny hanolotra vokatra (hira, fampisehoana, sns) manaraka ny fenitry ny kanto.

HaRy Razafindrakoto

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique