Flash
Préc Suiv

Fanafihana – RN 4 : jiolahy fito saron’ny zandary

Fanafihana – RN 4  : jiolahy fito saron’ny zandary

Voasambotry ny zandary ireo jiolahy miisa fito voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanakanan-dalana teny amin’ny PK 36, RN 4 ao Besely kaominina Ambalakida, ny herinandro lasa teo. Araka ny fanazavan’ny zandary, fiara 4×4 iray no niharan’ny fanafihan’ireo jiolahy. Nanapoaka basy ry zalahy tamin’io fotoana io, saingy tsy nisy naninona kosa ireo olona tao anatin’ilay fiara. Nahitana fahasimbana kosa ity fiara 4×4 niharan’ity fanafihana ity. Voalazan’ny zandary fa miisa 12 lahy ry zalahy no tena tompon’antoka tamin’ny fanafihana ity, saingy tafaporitsaka ny naman’ireto fito lahy tratra ireto. Famaky, lefona, antsy maranitra, basy poleta iray sy basy vita gasy roa ny tratra tany amin’izy ireo. Niaiky ny heloka vitany ry zalahy nandritra ny famotorana nataon’ny zandary.

Maro ireo fiara mifamezivezy amin’iny RN 4 iharan’ny fanafihan-jiolahy toy izao, saingy nahitam-bokany ny ezaka nataon’ny zandary.

J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique