Flash
Préc Suiv

Basikety – «school tournament fiba33» : hiditra amin’ny dingana famaranana

Hotanterahina amin’ny asabotsy 16 jona, ho avy izao, ao amin’ny kianja St Michel Amparibe,  ny dingana famaranana eo amin’ny fiadiana ny basikety «school tournament fiba 33». Fihaonana, natokana ho an’ireo mpianatra amina sekoli-mpanjakana sy tsy miankina ary katolika.

Tsiahivina fa sokajy efatra no nifaninanana dia ny U15, lahy sy vavy ary ny U18, lahy sy vavy, ihany koa. Efa fantatra avokoa ireo iray vondrona, amin’ity dingana famaranana ity. Hanana, tombony aloha ny ekipan’ny St Michel, izay hilalao eo an-jaridainany sy manoloana ireo mpijery azy. Na izany aza, hangotraka ny fihaonana, eo amin’ny sokajy U15, zazalahy satria iray sokajy ny ekipan’ny masindahy anankiroa.

Etsy ankilany, tsy maintsy hanohitra sy haneho ny fahaiza-manaony koa ireo sekoly hafa. Ho fantatra amin’io izany izay handrombaka voalohany ny amboara ho an’ity “school tournament fiba 33”, ity.

 Tompondaka

Toy izao ireo fizaram-bondrona :

U15 vehivavy :

Vondrona «A» : EPP Analamahitsy ; Collège de France ; Rossignols ; SFX 1

Vondrona «B» : SFX 2 ; Akamasoa ; Pépite d’or ; Saint-Joseph

U15 lehilahy :

Vondrona «A» : Saint-Michel ; Esca 2 ; Esca1

Vondrona «B» : IEF Aceem ; Chaperon rouge ; SFX 1

Vondrona «C» : LSFA ; Diadema ; SFX 2

Vondrona «D» : Le petit pré ; Sainte-Famille ; CEG Antanimbarinandriana

U18 vehivavy :

Vondrona «A» : Akamasoa 1 ; Saint-Joseph ; SFX 1 ; Lycée Andoharanofotsy

Vondrona «B» : Collège de France ; Akamasoa  2 ; Rossignols ; SFX 2

U18 lehilahy :

Vondrona «A» : SFX 2 ; Sainte-Famille ; LTP Mahamasina

Vondrona «B» : Collège de France ; Saint-Antoine ; Esca

Vondrona «C» : Arcade Ambohimanarina ; La Farandole ; SFX 1

Vondrona «D» : Saint-Michel ; Sainte-Famille ; Saint-Antoine 2

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique