Flash
Préc Suiv

Ahina hikatso ny asam-panjakana : tratry ny angaredon’ny fanoherana ireo minisitra HVM

Ahina hikatso ny asam-panjakana  : tratry ny angaredon’ny fanoherana ireo minisitra  HVM

 Nitranga ny nampoizina ary mety hikatso  hatramin’ny fampandehanana ny asam-panjakana. Iharan’ny fanoherana mahery vaika amin’ny alalan’ny hetsika sy sora-baventy sahady ireo minisitra sasany vao notendrena. Anisan’izany ireo minisitera mbola  ahitana minisitra avy amin’ny HVM.  Nitranga  izany teny amin’ny minisiteran’ny Paositra eny  Antaninarenina, omaly. Navandravandran’ny sorabaventy eo amin’ny vavahady ny fitsipahana ny minisitra Maharante Jean de Dieu, vao notendrena. Mbola hifampidinika amin’ny minisitra vaovao  ho an’ny Fanabeazam-pirenena, Horace Gatien ; kosa ireo sendikàn’ny mpampianatra sasany raha efa nilaza fa tsy hiverina hampianatra raha mbola HVM ny eo amin’io seza io.

Diabe nihazo an’Antaninarenina nataon’ny sendikà

Nanao diabe nihazo teny  Antaninarenina  ny Randrambaon’ny sendikà  naneho  ny tsy fahafaliany amin’ny fiverenan’ireo minisitra HVM eo  anivon’ny governemanta. Mitohy koa ny hetsiky ny mpiasan’ny minisiteran’ny Vola. Mbola  voatana amin’ny  toerany ny am-perinasa, Andriambololona Vonintsalama.  “Misy maharary anay ao. Tsy ny ladoany irery manana  olana amin’ny minisitra fa eo koa ny hetra sy ny trano printy. Tsy hanaiky ny hijanon’ny minisitry  ny  Vola… Hitohy sy hihamafy ny tolona  ka ialana tsiny amin’ireo mampiasa ny mpiasan’ny ladoany sy ny hetra…”, hoy  izy ireo.

Hanamafy ny tolona  ny fikambanan’ny mpianatra

Nitokona koa  ny eo anivon’ny Tafita, ao amin’ny minisiteran’ny Tanora.  Nikatona ny varavarana. “Tsy voaloa  ny Cnaps. Ilaina ny  fanovana fitantanana ary mitsipaka ny gaboraraka sy miady amin’ny kolikoly.  Eo koa ny kiantranoantrano.  Tsy miady amin’ny olona ary tsy hanongana  fa fitakiana  ny zo fototra ka hanairana ny mpitantana”, hoy  izy ireo. Ampahany ihany ireo fa mbola mety hitombo an-dalana izany satria niantso koa ny mpianatry ny oniversite ireo fikambanan’ny mpianatra isan-tsokajiny hihetsika hanamafy ny tolona eny amin’ny kianjan’ny  13 mey, manomboka anio. Fitsipahana marindrano ny fiverenan’ny minisitry ny Fampianarana ambony ny antony.

Synèse  R.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique