Flash
Préc Suiv

Governemanta Ntsay Christian : voatendry ho minisitry ny Filaminana anatiny i Erick Michel

Tafajanona eo amin’ny toerany amin’ny maha minisitry ny Fiarovam-pirenena azy ny Jly Rasolofonirina Béni Xavier. Ho an’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg) kosa, voatendry ny Jly Randriamanalina Jean Christophe izay hisolo toerana ny Jly Andriamahavalisoa Girard.

Isan’ireo voatendry ho minisitry ny Filaminana anatiny ao anatin’ny governemanta Ntsay Christian, ny contrôleur général de police, i Erick Michel Wouli Soumah Idrissa, izay tale jeneralin’ny polisim-pirenena teo aloha. Izy indray izany no handimby ny minisitra teo aloha, ny contrôleur général de police, Andrianisa Mamy Jean Jacques. Maro ny andraikitra efa nosahanin’ity minisitra vaovao ity. Nivoaka tao amin’ny sekoly ambonin’ny polisim-pirenena ny taona 1996 rehefa nahavita fiofanana ho « officier de police ». Niasa teo anivon’ny polisy ekonomika izy taorian’izay. Niverina niofana ho « commissaire de police » indray izy ny taona 2001 – 2003. Lehibe nisahana ny fiarovana ny sisin-tany izy taorian’ny fivoahany ny sekoly manofahana ho “officier de police » sy “commissaire de police”. Talen’ny hery vonjy taitra eo anivon’ny polisim-pirenena koa izy ary efa lehiben’ny kaomisarian’i Mahamasina. Efa lefitry ny Commissariat Tanà Ville koa izy. Teo koa ny efa naha kaomandin’ny Fip Antanimora azy ary andraikitra nosahaniny farany ny naha tale jeneralin’ny polisim-pirenena azy ka izao lasa minisitry ny Filaminana anatiny izao.

J.C

 

Les commentaires sont fermées.