Flash
Préc Suiv

Firongatry ny tsy fandriampahalemana : ahina hikatona ny tsingin’i Bemaraha

Firongatry ny tsy fandriampahalemana  : ahina hikatona ny tsingin’i Bemaraha

 Mitaraina ireo mpandraharaha misehatra ao anatin’ny tontolon’ny fizahantany, mpitondra mpizahatany mihazo ny Tsingin’i Bemaraha manoloana ny tsy fandriampahalemana. Afakomaly, lasibatry ny asan-dahalo ny fiara 4×4 nitondra mpizahatany tao Ambalasatra…

 Fiara 4×4 miisa dimy nitondra mpizahatany no notafihin’ny dahalo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika tao Ambalasatra lalana mihazo ny Tsingin’i Bemaraha, afakomaly tolakandro. Lasibatra tamin’izany ny vazaha mpizahatany nandeha tamin’ireo fiara 4×4 tsy mataho-dalana ireo. Lasan’ireo malaso ny entana sarobidy rehetra, toy ny fakan-tsary, ny telefaonina avolenta, ny vola vahiny sy ny vola gasy tao anaty fiara. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na naratra nandritra ity fanafihan-dahalo ity. Fantatra izao, araka ny loharanom-baovao voaray fa isan’ireo faritra mena amin’ny asan-dahalo ny ao Bemaraha. Lalana fandalovan’ireo dahalo avy mangalatra omby rahateo ao an-toerana, araka ny fitantaran’ny mpamily iray mpitondra mpizahatany. Nohamafisin’ity mpamily mpitondra mpizahatany ity hatrany fa rehefa fotoana fahatongavan’ireo vahiny mpizahatany hitsidika ny Tsingin’i Bemaraha no mazàna mampirongatra ny asan-dahalo. Misy ny ezaka ataon’ny mpandraharaha misehatra ao anatin’ny fizahantany ao Bekopaka sy Morondava, saingy tsy afa-manoatra izy ireo noho ny tahotra ireo dahalo. Manao antso avo amin’ny tompon’andraiki-panjakana misahana ny fizahantany izy ireo ny amin’ny tokony hijerena akaiky ny fitandroana ny ain’ireo vahiny tonga mizahatany eto amintsika. Manahy izy ireo fa ahina hikatona noho ny firongatry ny asan-jiolahy ny tsingin’i Bemaraha, raha tsy misy ny fandraisana andraikitra matotra avy amin’ny fanjakana.

Toerana mahasarika vahiny mpizahatany maro ny tsingin’i Bemaraha. Hisy fiantraikany eo amin’ny lafiny fizahantany izany raha hikatona ity tsingin’i Bemaraha ity.

J.C

Les commentaires sont fermées.