Flash
Préc Suiv

Tselatra

Maty tsy tra-drano ilay tovolahy nitondra moto nifandona tamin’ny taxi-be, omaly maraina teny Andranomena. Mafy ny fifandonana satria nizara roa mihitsy ilay moto sady potipotika tsy nisy noraisina intsony. Nihosin-dra teo amin’ny arabe kosa ilay niharam-boina. Fantatra fa vokatry ny fandehanana mafy ny nahatonga ny loza, raha ny fanadihadiana nataon’ny polisy teny an-toerana.

Trano miisa 30 indray kila forehitra tao amin’ny fokontany Masindrano Mananjary, ny alakamisy teo. Ankizikely nilalao afo tao an-trano no nahatonga ny loza ka niitatra tamin’ireo trano teo amin’ny manodidina ny afo. Miisa 285 ireo olona traboina. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na naratra.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique