Flash
Préc Suiv

Kidnapping : votsotra i Navage Veldjee, mbola tsy hita i Nizar Pirbay

Kidnapping  : votsotra i Navage Veldjee, mbola tsy hita i Nizar Pirbay

Raha navotsotr’ireo jiolahy naka an-keriny azy, tetsy Ampasampito, ny alin’ny zoma teo ilay teratany karana, Navage Veldjee, tompon’ny orinasa Veloptic, mbola tsy hita popoka kosa hatramin’izao i Nizar Pirbay, tompon’ny tranombarotra Business Center, ao Toamasina. Ny fiara 4X4 an’ity farany no hitan’ny mpitandro filaminana, ny asabotsy maraina teo.

Votsotra  ny zoma alina teo rehefa notazonin’ireo jiolahy an-keriny nandritra ny 15 andro i  Navage Veldjee. Nifanindran-dalana tamin’io fotoana io koa ny nakan’ny jiolahy an-keriny ny teratany karana iray antsoina hoe Nizar Pirbay, fantatra amin’ny solon’anarana hoe Zouzou, 44 taona tao Toamasina. Jiolahy miisa efatra nitondra basy Kalachnikov roa sy PA roa nandeha moto scooter roa no naka an-keriny azy tamin’io zoma alina io, araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana. Mpikambana eo anivon’ny fianakaviamben’ny Khoja, tompon’ny tranombarotra “Business Center”, ao Toamasina, i Zouzou. Teo am-pidirana ny tranony ao Salamazay no nakan’ireo mpaka an-keriny azy. Fantatra anefa fa niaraka tamin’ny miaramila roa lahy mpiambina azy izy, saingy tsy nahatohitra ireo jiolahy ireto miaramila roa lahy ka izy ireo indray no naratra. Nentin’ireo jiolahy nandositra niaraka tamin’ny fiarany 4X4, marika Ford Ranger laharana 12 890 WWT miloko volon-davenona izy tamin’io zoma alina io. Hitan’ny polisin’ny Fip tao amin’ny lalan-dratsy ao Mangarano, ny asabotsy maraina teo ny fiaran’i Zouzou ary hita tao koa ny basiny PA iray marika Browing (satria natsipin’ireo jiolahy tao anaty fiarany) sy vovo-tsakay ary ravina rongony tao anatin’ilay fiara, raha ny tatitra voaray hatrany. Tsy fantatra mazava hatreto ny toerana nametrahan’ireo jiolahy an’i Zouzou fa raha ny loharanom-baovao voaray avy amin’ny polisy misahana ny heloka bevava ao Toamasina, voasambotra ny olona iray, ny asabotsy teo ka mbola anaovana fanadihadiana.

Misy tsikombakomba amin’ny mpitandro filaminana…?

Efa-bolana taorian’ny nakana an-keriny an’i Akil Cassam, tale jeneralin’ny orinasa Scim, lasan’ny jiolahy koa izao i Zouzou. Hatramin’izao, tsy mbola nandrenesam-baovao ny toerana hitazonan’ireo jiolahy azy ny fianakavian’i Nizar Pirbay. Mitaraina rahateo ireo polisy mpanao fanadihadiana fa tsy mety manome vaovao momba ity raharaha ity ny fianakaviany.

Tsiahivina kosa fa nisy namaky ny magazay an’i Nizar Pirbay ao Ampilaolava Toamasina amin’ny RN 5, ny talata alina hifoha alarobia 30 mey 2018 teo. Miaramila 1ère Classe mpiambina ilay magazay ihany ny nitarika ireo jiolahy telo hafa avy any ivelany namaky ity magazay fitahirizana entana an’i Zouzou ity, saingy noraisim-potsiny ireo jiolahy satria nifanehatra tamin’ny polisy nanao fisafoana tampoka.

Ankoatra izay raha ny angom-baovao hatrany, mialoha izao fakana an-keriny azy ireo, nisy olana tamin’ny banky iray ao Toamasina i Zouzou raha haka vola mitentina 600 tapitrisa Ar, saika hamoahana entana ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, saingy tsy nomen’ny banky izany. Manahy ny rehetra fa misy ny firaisana tsikombakomba eo amin’ireo mpitandro filaminana mpiandry azy satria mihevitra ireo mpaka an-keriny fa efa azon’i Zouzou ilay vola 600 tapitrisa Ar nalainy tao amin’ny banky.

Andrasana, araka izany, ny tohin’ity raharaha fakana an-keriny an’i Nizar Pirbay ity.

Fantatra izao fa mitaky vola 1 tapitrisa euros amin’ny fianakaviana ho takalon’aina ireo jiolahy naka an-keriny an’i Rishi Chandarana teny Andakana Ambohidratrimo, ny 2 jona lasa teo.

Sajo sy Jean Claude

Les commentaires sont fermées.