Flash
Préc Suiv

Toamasina : karana iray indray nisy naka an-keriny

Nitrangana  fakana an-keriny indray tany Toamasina, omaly hariva. Karana iray tompon’ny Business Center, antsoina hoe Nizar Pirbay, io nisy naka an-keriny io. Raha hamonjy fodiana io Karana io no nisy jiolahy naka an-keriny tany Salazamay, tsy lavitra ny sekoly Ste Thérèse. Voalaza fa zaodahin’ny depiote Irma io Karana io. Tsy mbola nisy vaovao momba ny tohin’ny fakana an-keriny ny halina.

Karana fanintelony, tao anatin’ny iray volana teo, ity nisy naka an-keriny ity. Ny roa teto Antananarivo, izay samy mbola tsy nisy hita, ary tsy nahazoam-baovao. Ny iray nisy naka an-keriny teny akaikin’ny Gamo Soavimbahoaka, ary ny faharoa vao ny alahady lasa teo, teny Andakana eny amin’ny fanaovana golf. Ny teo anivon’ny fianakaviana, manamby volabe ho an’izay manome vaovao. Ny mpitandro filaminana andaniny tsy manan-kolazaina fa mety tsy mahita rirany amin’ny fanadihadiana.

Ity trangana fakana an-keriny ity izay efa mampikaika ireo teratany karany mizaka ny zom-pirenena frantsay eto amintsika. Manao antso avo amin’ny fitondrana, saingy tsy misy vokany mihitsy hatramin’izao.

Sajo sy Yves S.

Les commentaires sont fermées.