Flash
Préc Suiv

Maorisianina 3, Malagasy 6 voasambotra : rongony, “cocaïnes”, “heroïnes”… 140 kg saron’ny ladoany

Maorisianina 3, Malagasy 6 voasambotra  : rongony, “cocaïnes”, “heroïnes”… 140 kg saron’ny ladoany

Sarona vokatry ny fiaraha-miasan’ny sampandraharahan’ny ladoany malagasy, maorisianina, sy renioney, ny alakamisy teo, tany Manjakandriana, ny zavamahadomelina (rongony, héroïnes, cocaïnes…) milanja 140 kg mahery, nampandalovina teto, ary saika haondrana an-tsokosoko any ivelany. 

Goavana ! Izay no azo ilazana ity haza farany vitan’ny sampandraharahan’ny ladoany malagasy, eo amin’ny sehatry ny ady atao amin’ny trafikana zavamahadolemina ity. 140 kilao mahery be izao mantsy no indray sarona. Ahitana karazany samihafa, toy ny cannabis, ny cocaïnes, ny heroïnes, ny crystal, ny poudre jaune… Anisan’ny tena mahery vaika sy lafo vidy tokoa, satria, voalaza fa tsy latsaky ny 300 000 Ar na 400 000 Ar ny iray grama amin’ny héroïne na cocaïne. Izany hoe, mahatratra am-polo tapitrisa Ariary mahery any ho any izany no tetibidiny raha atambatra.

Olona sivy no voasambotra tao anatin’ity trafika goavana ity. Teratany maorisianina, 44, 38 sy 22 taona, monina any Baie du Tombeau, Plaine Verte ary ao Roche Bois, atsy amin’ny Nosy Maorisy ny telo lahy. Teratany malagasy kosa ireo enina, ka vehivavy ny telo. Efa hatramin’ny taona 2008, araka ny fantatra, no efa narahan’ny mpiasan’ny ladoany maso akaiky ireto Maorisianina telo lahy ireto.

Ity ny trafikana zavamahadomelina lehibe indrindra tratra eto Madagasikara hatramin’izay, raha zahana ireo karazana zava-mahadomelina mahery vaika sy ny vidiny ”, hoy ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny fadintseranana. Araka ny tombatombana nambarany.

Eo am-pelatanan’ny fitsarana izao ny raharaha

 Efa natolotra ny fitsarana eto an-toerana ny raharaha ary mandeha ny famotorana amin’izao fotoana izao. Mbola tsy fantatra avy aiza ny nampidirana azy ireo. Mbola misy olona karohina any Toamasina”, hoy ny tale jeneralin’ny fadintseranana, Rabenja Narivony Eric. Eo am-pelatanan’ny fitsarana, araka izany, ny raharaha. Tsy fantatra na mbola hisy ny fiaraha-miasa amin’ny fitsarana, any amin’ireo Nosy manodidina. Manana ny fomba fiasany miaraka amin’ny mpitandro filaminana ny ladoany, hiadiana amin’izany trafika rongony izany.

Tsy anjaran’ny ladoany intsony, noho izany, ny mampihatra ny lalàna fa eo anivon’ny fitsarana. Tsy tokony ho hadino fa misy fepetra iraisam-pirenena faritan’ny ONUDC (Office des Nations Unies contre la drogue et le crime) hoentina miady amin’ny fanapariahana rongony sy ny asan-jiolahy, toy ny ataon’ny dahalo eto amintsika. Nambaran’ny Firenena mikambana (ONU) ao anatin’ny fifanarahana fa loza ho an’ny toekarena eran-tany sy ny sosialy ny rongony. Koa takin’ny ONU ny fiaraha-miasan’ny firenena rehetra.

R.Mathieu

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique