Flash
Préc Suiv

Tsipy kanetibe – «Masters 2018» : afa-baraka ny ekipa malagasy

Tsipy kanetibe – «Masters 2018»  : afa-baraka ny ekipa malagasy

Nanomboka omaly, ao Chateaurenard, Frantsa, ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny «Masters 2018», taranja tsipy kanetibe. Tena nitafy henatra sy afa-baraka ny ekipam-pirenena malagasy satria tsy nisy afa-tsy mpilalao roa monja ny hany afaka niatrika izany, raha fihaonana natokana ho an’olon-telo miaraka ny fifaninanana. Tsy nahazo fahazoan-dalana «visa», mantsy i Tita sy i Tiana (Tonnerre) ka tsy afaka nihazo an’i Frantsa. Tsy nisy afa-tsy i Lahatra sy i Coquelet, izay mipetraka any an-toerana, ny niakatra kianja. Tsy nisy ny fahagagana fa nomontsanin’ny ekipan’i Sarrio, nisy ilay Malagasy, Andriantseheno Christian (Ra-Chre), tamin’ny isa mazava 13 no ho 1, izy mirahalahy.

Niatrika ny lalao sakana indray avy eo izy roa lahy ka resin’ny ekipa “wild card”, notarihin’i Loy, tamin’ny isa 13 no ho 3. Tsy fantatra na afaka manova mpilalao na tsia ny Malagasy, eo amin’ny fiatrehana ny dingana faharoa, hatao ao Le Puy-en-Velay, ny 28 jona ho avy izao.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.