Flash
Préc Suiv

RN44 :taksiborosy nidona tamin’ny kamiao, olona enina naratra

Taksiborosy iray niainga tamin’ny 6 ora maraina avy any Ambatondrazaka hihazo ny Renivohitra no nifandona tamin’ny kamiao tany amin’ny lalam-pirenena faha-44, omaly. Mpandeha miisa enina naratra vokatr’izany, ary nentina maika namonjy ny hopitaly Andilanatoby. Araka ny fanazavana, nangala-dalana ilay kamiao, ka  niteraka ny loza izany. Mafy ny fifandonana ka niteraka ny faharatran’ireo mpandeha tamin’ny taksiborosy. Ratsy rahateo ny lalana any an-toerana ka samy manao izay mahafaka azy ny fiara, kanjo izao niafara tamin’ny fifandonana izao. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanao ny fizahana ny loza. Nanentana ny rehetra izy ireo samy hanaja ny fampiasana ny lalana, ary samy hitandrina hatrany satria lahitokana ny aina.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.