Flash
Préc Suiv

O! i! ô te-hianatra izahay

O! i! ô te-hianatra izahay

Lasa sorona ny fanabeazana. Ataon’ny mpampianatra ankivy ny mpianatra hanala fanadinam-panjakana. Mitokona tsy mety miverina hampianatra izy ireo. Mandeha anefa ny fotoana, manakaiky ny datin’ny fanadinana, tsy misy rototra ny mpampianatra.

Etsy andaniny,  mangetaheta te hianatra ireo tanora. Miolomay, tandindomin’ny fotoana mihazakazaka. Tsy misy fianarana vanona. Mikatso tanteraka mihitsy aza ny ilazana azy, efa ho iray volana mahery izao.

Matahotra ny hisian’ny taona fotsy mihitsy ny mpianatra raha mitohy izao tsy firaharahan’ny mpampianatra azy ireo izao. Efa nahemotra ny adina fanatanjahantena. Tsy fantatra ny fotoana nanemorana azy. Raha ho avy koa ny datin’ny fanadinana ka tsy mbola mivaly ny fangatahan’ny mpampianatra, inona ny hitranga?

Mitaintaina ny mpianatra. Toraka izany ny ray aman-dreny. Tsy afa manoatra anefa satria ny mpampianatra mihitsy no mampikatso ny raharaha.

Ankilany, ny mpianatra amin’ny sekoly tsy miankina, mandeha hatrany ny fampianarana. Na izany aza, mitaintaina ambodiriana ihany satria sao tsy hisy ny fanadinam-panjakana ka miara-fay amin’ireo sekolim-panjakana ary miara taona fotsy ihany koa.

Hatreto aloha, tsy mbola nisy ny mpianatra nilanja sora-baventy teny an-kianja, nitaky ny fiverenan’ny mpampianatra an-tsekoly. Mimenomenona ny hany azon’izy ireo atao.

Tamin’ny andron’ny minisitra Rabary Mathilde tao amin’ny minisiteran’ny Mponina no tena nampalaza ny zon’ny ankizy hianatra. Noventesina ary nanaovana ezaka be izany hatramin’izay.

Anjaran-dRabary Paul ny misahana ny fampianarana, ankehitriny, kanefa toa tsy voafehiny io zon’ny ankizy hianatra io. Tsy manam-bahaolana amin’ny fitakian’ny mpampianatra ny tenany fa ny tsy misy vola ihany no hasesiny ka izao mikatso izao ny fampianarana.

Hiakan’ny mpianatra amin’izao fotoana ny hoe: O! i! ô! Te hianatra izahay.

Randria

 

Les commentaires sont fermées.