Flash
Préc Suiv

Kidnapping : karana roa mbola tsy hita popoka

Kidnapping  : karana roa mbola tsy hita popoka

Mbola tsy hita popoka ny Karana roa nisy naka an-keriny hatramin’izao. Ny voalohany, i Navage Veldjee, nisy naka an-keriny teny akain’ny Gamo Ampasampito ny 24 mey lasa teo, tsy mbola votsotra hatramin’izao. Vao ny alahady teo kosa, teny Anosiala Andakana, teo am-pivoahana ny toerana filalaovana golf ny Karana iray zanaky ny tompon’ny hotely Mellis. Jiolahy efatra nitondra Kalachnikov, nandeha fiara Renault fourgonetteny  naka an-keriny an’i Chandarana Rishi. Ity farany izay tao anaty ny fiarany 4×4 Touareg ka teo am-piantsonana ny fiarany no tonga ireo jiolahy niaraka tamin’ny basy, ary nampiditra azy tao amin’ilay Renault. Araka ny voalazan’ny mpitandro filaminana, efa miasa izao ny “cellule anti-kidnapping” manao ny fanadihadiana rehetra. Mihetsika avokoa ny zandary sy ny polisy any amin’iny faritra Ambohidratrimo sy ny manodidina iny. Tsy mbola nisy vokany anefa izany. Manao antso avo ny fianakavian’ireo Karana ireo fa omena valisoa lehibe izay manome vaovao momba azy ireo.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.