Flash
Préc Suiv

Faritra Atsimo Andrefana : niharatsy ny zava-misy momba ny tsy fanjarian-tsakafo

Faritra Atsimo Andrefana  : niharatsy ny zava-misy momba ny tsy fanjarian-tsakafo

 47,3% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ho an’ny zaza latsaky ny 5 taona, raha 9% ny tahan’ny tsy fanjaran-tsakafo mahery vaika manerana ny Nosy.

Ho an’ny faritra Atsimo Andrefana, niharatsy ny zava-misy momba ny antontanisan’ny ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa, araka ny valin’ny fanadihadiana « enquête smart » taona 2018 niarahan’ny Ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo sy ny Unicef nanatontosa. Nahitana fivoarany tsara kosa ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka sy ny tahan’ny tsy fahampian-danja eo amin’ny zaza latsaky ny 5 taona. « Hivoaka tsy ho ela amin’ny fomba ofisialy ny valin’ny fanadihadiana », hoy ny mpandrindra ny fanaraha-maso ao amin’ny Ofisim-paritra momba ny fanjarian-tsakafo ao Atsimo Andrefana, Razafimahatratra Marie Aimée. Ny taona 2017, 8,5% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika, 39,4% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ary 28,9% ny tahan’ny tsy fahampian-danja eo amin’ny zaza latsaky ny 5 taona. Nivoitra tamin’ny vokatry ny fanadihadiana fa mahazo vahana ny tsy fanjarian-tsakafo ao amin’ny distrikan’Ampanihy, manaraka ny ao Betioky sy ny ao Benenitra, araka ny fanazavan’ny mpandrindram-paritry ny Ofisim-paritra (ORN), i Sokorokana Christian. Miasa amin’ny kaominina 61 amin’ny kaominina 121 mandrafitra ny faritra Atsimo Andrefana ny ORN. 339 ny toby iasana ka ny 181 amin’ireo ihany aloha hatreto no mihodina miaraka amin’ny ORN sy ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam).

 Voamarina eny amin’ny toby PNNC Seecaline

Isaky ny telo volana ny fanatanterahana ny fitiliana ny tsy fanjarian-tskafo eny amin’ny fokontany. Ho an’ny distrikan’Ampanihy sy i Betioky, misy kaominina any ambanivohitra, 2 ka hatramin’ny 5% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika. Ho an’Ampanihy manokana,  kaominina15 amin’ny 30 misy ao anatin’ny distrika, ahitana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika antonony. Mbola voaporofo araka ny antontanisa nivoaka avy amin’ny toby PNNC/Seecaline fa miharatsy hatrany ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo nanomboka ny volana janoary ka hatramin’ny marsa ho an’ny faritra Atsimo Andrefana.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.