Flash
Préc Suiv

Tselatra

Ankizilahikely iray namoy ny ainy vokatry ny lozam-piarakodia tao Manjakandriana RN 2 PK 30+900, afakomaly antoandro. Fiara 4×4 iray nifaoka ankizilahikely iray tamin’io fotoana io. Vokatry ny fandehanana mafy no voalaza fa nahatonga ny loza. Tsy avotra intsony ny ain’ilay niharam-boina na dia efa nialana nenina teny amin’ny hopitaly aza. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary ao amin’ny  “poste avancé” Carion.

 Maty tsy tra-drano noho ny tsatoka antsy nahazo azy teo amin’ny tendany ny renim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Antanambazaha, kaominina ambanivohitra Anjangoveratra Sambava, afakomaly. Olam-panambadiana no antony nahatonga izao vonoan’olona izao, araka ny fanazavan’ny zandary. Notsatohan’ilay raim-pianakaviana ny antsy ny tendam-badiny ka maty tsy tra-drano. Efa voasambotra kosa ilay nahavanon-doza. Ny poste avancé ao Anjangoveratra no manao ny fanadihadiana.

Les commentaires sont fermées.