Flash
Préc Suiv

Me Razafinjatovo Willy : « tsy afa-kihambo hanolotra Praiminisitra ny HVM »

Me Razafinjatovo Willy  : « tsy afa-kihambo hanolotra Praiminisitra ny HVM »

« Tsy afa-kihambo ho manana depiote hanolotra Praiminisitra ny HVM« , hoy ny fanehoan-kevitry ny mpahay lalàna, ny Me Razafinjatovo Willy, momba ny hoe maro anisa manolotra ny Praiminisitra, araka ny And. 54 amin’ny lalàmpanorenana. Vakina amin’ny maha lalàna azy ny lalàna, fa tsy adikadika fahatany na atao amin’izay itiavana azy.

Tsy misy afa-manolotra praiminisitra, raha tsy ny vondrona politika nahalany depiote maro indrindra tao amin’ny vondrona misy azy, araka ny And. 54 ao amin’ny lalàmpanorenana. Io vondrona lazaina io, izay vokatra tamin’ny fifidianana depiote.

 Nifidy filohan’ny Repoblika fa tsy depiote ny HVM

 « Raha adika tsotra izany: ny Mapar, ny Tim, ny MMM… « , hoy izy. Ireo no vondrona politika ahitana depiote maro ao aminy. Tsy nisy izany HVM izany, fa ny filohan’ny Repoblika no nofidin-dry zareo tamin’ny fifidianana 2013. Tsy nisy ny kandidà ho depiote natolotry ny HVM tamin’izany.

Noho izany, tsy afa-kiteny hoe hanolotra Praiminisitra izy amin’izao fotoana izao. Noho io didim-pitsarana io milaza izay olona lany tao amin’ny vondrona misy azy izany. « Ireo olona ao amin’ny HVM amin’izao fotoana izao, vondrona parlemantera governemantaly fa tsy toy ny vondrona parlemantera », hoy ihany izy. 

 Azo aongana ny depiote miovaova vondrona

 Milaza ny And. 72 amin’ny lalàmpanorenana hoe ny depiote iray, na folo, na zato… voafidy avy amin’ny vondrona parlemantera iray na avy amin’ny vondrona politika iray: tsy mahazo na afa-miovaova vondrona intsony, rehefa voafidy izy ka ao amin’ny Antenimierampirenena. Azo aongana tsy ho depiote izany izy ireo, raha misy miovaova vondrona nahavoafidy azy.

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.