Flash
Préc Suiv

Kaominina Bemasoandro Itaosy : andian-jatovo mpanendaka nalefa eny Anjanamasina

Kaominina Bemasoandro Itaosy  : andian-jatovo mpanendaka nalefa eny Anjanamasina

Notanana vonjimaika eny Anjanamasina, afakomaly ireo fito lahy tsy ampy taona mpanendaka eny amin’iny faritra kaominina Bemasoandro sy Cité Itaosy iny. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Itaosy teny Bemasoandro Itaosy, ny asabotsy 25 mey 2018 vao maraina teo ry zalahy ireto. Araka ny fanazavan’ny polisy, renim-pianakaviana iray, 32 taona no lasibatry ny fanendahana nataon’ireto andian-jatovo ireto, ny alarobia 22 mey 2018 alina. Very tamin’izany ny poketra teny aminy. Tonga nametraka fitarainana teny anivon’ny kaomisarian’Itaosy ity renim-pianakaviana ity ny ampitson’io nanendahana azy io. Nilaza izy tamin’ny fanadihadian’ny polisy fa zatovolahikely maromaro no nanendaka azy. Nanomboka avy hatrany taorian’izay ny fikarohana sy ny fanadihadiana nataon’ny polisy. Vokany, voasambotra ny asabotsy vao mangirandratsy teo teny Bemasoandro Itaosy  ny tovolahikely iray vao 15 taona. Rehefa nohadihadian’ny polisy, izy nanondro ireo namany miisa enina mpiara-manao asa ratsy aminy izay samy monina ao Bemasoandro Itaosy avokoa. Notsimponin’ny polisy fotsiny taorian’izay ireo namany enin-dahy. Samy niaiky ho nandray anjara mivantana tamin’ilay fanendahana avokoa izy fito lahy ireo ary nolazain’izy ireo koa fa efa matetika izy ireo ny manendaka olona tratra alina eny amin’ny faritra Bemasoandro sy Cité Itaosy. Natolotra ny fampanoavana ry zalahy taorian’ny famotorana nataon’ny polisy ka izao notanana vonjimaika eny Anjanamasina izao noho izy ireo mbola tsy ampy taona.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.