Flash
Préc Suiv

Hiverina any ivelany : hanolotra seho faradoboka i Tahiry

Hiverina any ivelany  : hanolotra seho faradoboka i Tahiry

Tanteraka soa aman-tsara ilay seho goavana tetsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena sy kolontsaina Imahamasina niarahana tamin’i Ndondolah sy Tahiry. Fantatra izao fa hanainga hitodi-doha ho any ivelany amin’izay i Tahiry ka hanatanteraka seho faradoboka eto an-tanindrazana. Ny alin’ny zoma 1 jona ho avy izao, etsy amin’ny Les Rochers Ambohimangakely, no hanatanterahana izany.

Alim-pikoranana ahitana ireo mpitendry zavamaneno efa niaraka tamin’i Ndondolah sy Tahiry hatramin’izay 20 taona nilomanosana ao anatin’ny mozika izay. Ho tazana eny an-toerana ihany koa ireo mpanao feo lafika tsy zovina amin’ireo mpankafy ny vazon’i Ndondolah sy Tahiry. Ankoatra ireo sanganasan’izy ireo, hiindrana ireo hiran’ny mpanakanto  malagasy sy vahiny koa ireto mpanakanto manana feo miavaka ireto.

Hifanakaiky bebe kokoa amin’ny mpankafy izy ireo mandritra ity seho ity. Malalaka rahateo ny sehatra eny an-toerana ho an’ireo te hampiara-peo sy hitotorebika miaraka amin’ireto mpanakanto ireto.

Ankoatra an’i Ndondolah sy Tahiry, hisy mpanakanto tsy ampoizina hanafana ny fiarahana amin’io fotoana io.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.